Miteraka adihevitra etsy sy eroa ilay famotsoran-keloka nambaran’ny vondrona SADC fa tokony homena ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ary ny mpitandro filaminana malagasy.
Manoloana izay indrindra dia nilaza ny komandy ambonin’ny zandarimariam-pirenena ny jeneraly Richard Ravalomanana fa efa ifaneken’ny lalàna iraisam-pirenena fa ny olona voaheloka ihany no mahazo famotsoran-keloka. Misy ny dingana tsy maintsy arahana momba izany hoy izy. Momba ny hoe mpitandro filaminana tokony homena famotsoran-keloka dia nanamarika ity manamboninahitra zandary ity fa tsy misy mpitandro filaminana am-perinasa amin’izao fotoana, na dia iray aza mila izany famotsoran-keloka izany satria “tsy misy voaheloka izahay”, hoy izy.
Tsy misy olo-meloka izahay mpitandro filaminana, fa tsy haiko kosa ry zareo mpitondra fanjakana, hoy ny jeneraly Richard Ravalomanana raha misy mila io famotsoran-keloka io. Mbola naveriny ihany koa fa anjaran’ny fitsarana ny mandray andraikitra araka ny lalàna manankery, momba ireo zandary na miaramila mbola any am-ponja. Nilaza moa ny jeneraly Richard Ravalomanana fa tsy misy miady na mifandrafy izany ny samy zandary. Na dia nisy aza ireo namana nigadra dia tsy nanimba ny fifandraisanay velively izany, hoy izy. Nambarany ihany koa fa nisy tamin’ireo zandary izay nigadra ka efa nivoaka ny fonja no nanatrika ny fanomezana galona ireo nahazo izany farany teo teny Betongolo ary dia mipetraka tsara ny firahalahiana, tsy misy izany hoe mifandrafy na mifampialona izany, hoy hatrany izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.