Politique

Jeneraly Razakarimanana Ferdinand “Voafetra ny andraikitry ny CST sy ny CT”


  • Alarobia 13 Oktobra 2010

Misarika ny sain’ny rehetra, indrindra fa ireo mpanao politika, mba hijery ny tombontsoa ambonin’ny firenena fa tsy ho variana amin’ny adilahy politika ny jeneraly Razakarimanana Ferdinand.

Tsy maintsy misy no tsy hahazo toerana, araka ny ambarany, nefa tsy atao hahatezitra izany satria efa nisy ny fifandaminana ary tsy voatery ho afa-po amin’izay mitranga eo ny rehetra. Aoka izay ny ady seza, hoy izy, fa aoka hifantoka amin’izay hampandehanana tsara ny tetezamita isika. Mbola mikatso mantsy ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana araka ny fahitany azy ka ilaina ny fitondran’ny tsirairay ny anjara birikiny amin’ny asa rehetra atao. Mikasika ny fitsapan-kevi-bahoaka kosa dia mbola naverin’ity Pds-n’ny faritanin’Antananarivo teo aloha ity fa hafahafa be ihany ny zava-misy satria raha sanatria ny Tsia no lany dia ahoana ny mety ho tohin’ny raharaham-pirenena. Raha fantatry ny mpitondra indray anefa fa efa ho lany ny Eny, na efa miezaka mafy amin’ny hahatanterahan’izany izy ireo, dia nahoana no mandany vola sy fotoana hanaovana propagandy sy fifidianana, fa asaina fidian’ny Parlemanta fotsiny ilay volavolan-dalàmpanorenana dia vita ny resaka.

Momba ireo mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) sy ny Kongresin’ny tetezamita (CT) kosa dia nanamarika ny jeneraly Ferdinand Razakarimanana fa olom-boatendry ireo fa tsy olom-boafidy velively, ka voafetra amin’ny fampandehanan-draharahan’ny tetezamita ny asan’izy ireo fa tsy hiroso amin’ny fandaniana lalàna tahaka ny fanaon’ny Parlemanta voafidy ara-dalàna. Raha itarina kely izay resaka izay dia tokony ho ny fandinihana sy fandaniana ny tetibolam-panjakana sy ny fanaraha-maso ny asan’ny governemanta amin’ny ankapobeny ihany no ataon’ny CST sy ny CT fa tsy miditra amin’ny fandinihana volavolan-dalàna hafa mihitsy, tahaka ny hoe resaka fifanarahana iraisam-pirenena, na fifanaraham-piaraha-miasan’ny fitondrana tetezamita amin’ny orinasa vahiny, na firenen-kafa. Ny olana kely amin’izay anefa dia efa nanasonia fiaraha-miasa tamin’ny orinasa maromaro hitrandraka harena ankibon’ny tany eto ny FAT. Koa mipetraka ny fanontaniana eto hoe : avela amin’izao ve izany ireny fifanarahana ireny fa tsy hisy fanaraha-maso intsony ? Ahoana ny resaka mangarahara amin’izay satria harem-pirenena io trandrahana io ? 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT