Tsy mankasitraka ny hanolorana lalŕmpanorenana iray holaniana na ho lavin’ny vahoaka amin’ny alalan’ny ENY na TSIA ny jeneraly Razakarimanana Ferdinand izay efa PDS-n’ny faritanin’Antananarivo teo aloha.
Amin’ity manamboninahitra jeneraly efa misotro ronono ity dia mety kokoa raha lalàmpanorenana roa no aroso hisafidianan’ny olona, samy miasa mafy amin’izay fotoana izay ny mpanohana azy roa ireo, ka izay tena mahay manazava ny heviny sy mandresy lahatra ny vahoaka no hahazo ny fandresena, ary azo antoka fa tsy maintsy hisy ny lalàmpanorenana ho lany raha roa no atolotra ny mpifidy, hoy ihany ny fanazavany. Ny olana mantsy, hoy Razakarimanana Ferdinand dia ny hoe : raha ny TSIA ary no lanin’ny maro an’isa amin’ny 17 novambra, dia ahoana no mety ho tohin’ny raharaham-pirenena ? Hiverina hifampiresaka sy hifanasa vangy hitady ny marimaritra iraisana indray ve ireo ankolafy politika ? Haverina indray ve ireo fihaonana isan-karazany ?
Hamerina ny asany iray manontolo indray ve ny CCC, tetezamita vaovao mihitsy indray ve no hatsangana ? Nambara mantsy fa efa fandravonana ny hevitra rehetra io volavolan-dalàmpanorenana tokana haroso amin’ny 17 novambra io, ka raha sanatria tsy eken’ny besinimaro io, dia tsy mety koa izany ireo hevitra rehetra naravona, ka mila mamoaka hevitra vaovao indray. Raha izay no mitranga dia hitatra indray ny tetezamita, hoy ny jeneraly Razakarimanana Ferdinand ary hihamafy ny fahasahiranan’ny vahoaka. Eo amin’ny firafitry ny fanjakana indray dia nambarany fa tokony ho nampidirina ao anatin’izany ny fokonolona izay hita eny amin’ny fokontany, satria io no fototry ny fiarahamonina malagasy.
Raha ny eritreriny izany dia tahaka izao manaraka izao no tokony ho firafitry ny fitsinjaram-pahefana eto Madagasikara : Fokontany, Kaominina, Faritra ary Faritany. Raha tsiahivina dia anisan’ireo voalohany niara-dalana tamin’i Marc Ravalomanana tamin’ny 2001 ny jeneraly Razakarimanana Ferdinand, tafiditra tao anatin’ny ekipa teny amin’ny Magro Ankorondrano nikarakara ny fampielezan-kevitra tamin’ny 2001 sy ny fampitahana ny taratasim-pifidianana tamin’ny 2002 niaraka tamin-dry Norbert Lala Ratsirahonana, Rajemison Rakotomaharo, Moxe Ramandimbilahatra, Ihanta Randriamandrato izy. Ary rehefa voafidy ho filohan’ny Repoblika i Marc Ravalomanana dia voatendry ho PDS-n’ny faritanin’Antananarivo izy, saingy tsy naharitra ela teo fa nosoloina. Nanomboka teo dia nitsimbadika tsimoramora tany amin’ny mpanohitra ny fitondrana ny jeneraly Razakarimanana Ferdinand ary tena nanakiana mafy mihitsy ny fitondrana Ravalomanana. Nanohana ny hetsika notarihan’i Andry Rajoelina izy, kanefa dia tsy nahazo ny anjara sezany tao anatin’ny tetezamita, fa nihafihafy tao amin’ny Kaominina tao.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.