Manampy tosika ireo avy amin’ny fitondrana tetezamita amin’ny fanohanana ny fandaharan’asa efa napetraka ny jeneraly Rasolosoa Dolin, filoha lefitry ny FAT ka nanambara fa tsy fanakanana be fahatany ny fahatongavan’i Joaquim Chissano akory no ataon’ny mpitondra fanjakana eto fa fampatsiahivana azy fotsiny fa efa niroso lalina amin’ny famahana ny krizy ny Malagasy fa tsy hiandry ny toromarika sy ny baiko avy any ivelany foana.
Araka ny nambarany dia tsy misy mihitsy ny olana raha toa ka manaiky ny drafitra sy ny tetiandro efa napetraka i Joaquim Chissano, izany hoe ny fanaovana ny Dinika santatra isaky ny distrika sy ny fikaonandoham-pirenena ary ny fiatrehana ny fifidianana madio sy mangarahara eo ambany fitantanan’ny CENI. Ny andrasana amin’i Chissano, araka ny filazan’ny jeneraly Rasolosoa Dolin dia ny soso-kevitra hanatsarana ny fanatanterahana ny fifidianana fa tsy fanomezana hevitra hafa vaovao indray na fiverenana amin’ny satan’i Maputo sy Pretoria indray. Nambaran’ity manamboninahitra efa misotro ronono ity ihany koa fa tsy laharampahamehana ny fikasana ny hampody an-tanindrazana ny filoha teo aloha mirahalahy dia Atoa isany Ratsiraka sy Ravalomanana. Ny famahana ny krizy izao no tena zava-dehibe, araka ny nambarany, fa tsy ny fijerena ny tombontsoan’olona roa na telo. Nanamafy moa izy fa efa mazava ny andraikitry ny fitondrana tetezamita fa dia hanao izay hampahalavorary ny fanomanana sy fikarakarana ny fifidianana, tsy manana olona tohanana ny tetezamita hoy izy, ary ny filohan’ny FAT rahateo dia efa nilaza fa tsy hirotsaka hofidiana filoham-pirenena. Mikasika ny CENI manokana indray dia hentitra ny jeneraly Dolin nilaza fa tsy tokony hisy ahiana ny amin’ity rafitra ity satria mahaleotena tanteraka izy io ary afaka mikarakara tsara fifidianana madio sy mangarahara izay takian’ny fianakaviambe iraisam-pirenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.