Politique

Jeneraly Ramakavelo « Ny olom-baovao no ekeko »


  • Alatsinainy 31 Oktobra 2016

Manoloana ny firoborobon’ny vondrona miseholany eran’ny tanàna izay milaza ny manao tolona ho an’ny fanorenana miainga avy any ifotony amin’izao fotoana izao dia nilaza ny fahitany ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny ny jeneraly Désiré Ramakavelo,

 

talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny atitany tamin’ny andron’ny kolonely Ratsimandrava nivoy ny resaka fanorenana ifotony. Betsaka izay fihetsiketsehana sy fiantsoana vahoaka izay fa nisy namaly ve ? Ny antony dia leo politika ny olona ary tsy olom-baovao ireo miantso fa efa samy teo amin’ny fitondrana saingy mbola toy izao ihany aloha isika. Raha olom-baovao dia manaiky aho, kanefa misy koa olom-baovao tena nitari-tolona ary nety ho nahazo ny fon’ny vahoaka fa nony injay nandray fepetra ny fitondrana dia tsy hita izy, hoy izy. Anisan’ny mety hahakivy ny vahoaka koa ny zavatra toy izany, raha ny fahitany azy, ary dia ny nametrahany fanontaniana mihitsy hoe : rahoviana isika vao hanana olona toa an’i Mandela ?

Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT