Politique

Jeneraly Ramakavelo Desiré «Aza terena handray fahefana ny miaramila»


  • Alatsinainy 19 Aprily 2010

Anisan’ireo mpanao politika manahy ny amin’ny fizotry ny toe-draharaha amin’izao fotoana ny jeneraly Ramakavelo Désiré izay mpikambana ao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita.

Aminy dia mila mivaha haingana ny olana. «Tsy mankasitraka ny hidiran’ny vahiny lava amin’ny famahana ny krizy aho, ary mino fa vitantsika malagasy ny mikaroka ny vahaolana. Saingy rehefa izay moa no hamahana ny krizy dia atao ahoana. Ampy izay herintaona nijaliana izay fa tokony hiroso amin’ny fanarenana ny firenena sy ny asa amin’izay ny rehetra». Izay no nambarany raha nitafa tamin’ny mpanao gazety amina fahitalavitra tsy minakina iray eto an-drenivohitra izy ny faran’ny herinandro teo. Nilaza ihany koa nandritra ny fanehoan-kevitra nataony ity jeneraly misotro ronono, izay efa avy nitantana ny ministeran’ny fiarovana ity, fa tsy tokony hoterena handray fahefana ny miaramila. Azon’ny miaramila atao tsara, hoy izy ny manao tahaka ireny tany Guinée na Niger ireny. Izany hoe alaina ny fahefana, atao ny fampandrian-tany dia tanterahana ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana ny fifidianana. Izany marina ve anefa no mety amin’ny firenena Malagasy ? Tokony ho ny mpanao politika ihany aloha no miresaka sy mifandamina, araka ny hevitry ny jeneraly Ramakavelo ka mikaroka ny vahaolana mety amin’ny Malagasy sy i Madagasikara, fa tsy vahaolana mihitsy ny manome fitondrana ny miaramila izany. Ny mpanao politika no mahita ny vahaolana politika fa tsy ny miaramila mihitsy.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT