Politique

Jeneraly Rakotonandrasana Noël «Tsy manana lonilony amin’i Marc Ravalomanana aho»


  • Alakamisy 22 Aprily 2010

Fahanginana tampoka, resa-bola eny anivon’ny foloalindahy, fifandraisana amin’ny mpanao politika … fanontaniana manitikitika ny maro ireo ary nanasan’ny Tia Tanindrazana ny Jeneraly Rakotonandrasana raha misy zavatra azony ambara mikasika izany.

Tia Tanindrazana (T.T) : Inona no tena nampilamina tampoka anareo tao taorian’iny fanilihana anao tsy ho Minisitry ny fiarovam-pirenena iny? Jeneraly Rakotonandrasana Noël (R.N): Tsy hoe mangina aho, porofon’izany dia miezaka mifampidinika amin’ireo tompon’andraikitra samihafa ny tenako mijery hoe ahoana no hanavotana ny firenena. Na izany aza mba taitra ihany aho tamin’ny nanesorana ahy ireny, tsy mba nantsoina hifandamina amin’ny maha samy lehilahy lehibe. Nisy anefa moa ny fifampidinihina tamin’ireo zoky ka taorian’ny fifampiresahana natao dia niroso tamin’ireny  fampandehanan-draharaham-panjakana ireny. Tsy mety rahateo ny miziriziry mba hitandroana ny filaminana sy firaisankina eo anivon’ny foloalindahy. 

T.T :  Sao kosa mba nisy resa-bola tao ?
R.N : Azoko lazaina etoana fa na ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana na ny filohan’ny HAT Andry Rajoelina tsy nanome ahy na irambilanja aza. Betsaka ny feo mandeha fa nandray 2,5 miliara, 700 tapitrisa… resaka mandeha fotsiny any ambadika any izany.
 
T.T : Dia ahoana ny momba ireo namanao nijoro tamin’ireny, inona no noteneninao azy nampilamina azy koa ?
R.N : Tsy nametraka olana ny tamin’izany. Ny fitandroana ny tsy hampivakivaky ny samy foloalindahy ka hanamafisana ny firaisankina no nimasoanay.
 
T.T: Mandeha ny feo fa tao ambadik’ireny fihetsehanareo ireny i Monja Roindefo ?
R.N : Praiminisitra sady lehiben’ny governemanta nisy ahy izy. Izaho dia mifampiresaka amin’ny daholobe, fa ny hoe miombon-kevitra amin’i Monja Roindefo kosa dia tsy marina izany.
 
T.T: Ianao ve mifandray amin’ireo filoha teo aloha ?Oviana no niresaka farany ? Mbola tsy afaka ve ny loniloninao tamin’izy ireo ?
R.N : Tamin’ny 8 martsa 2009 no nifandraisako an-tariby mivantana farany tamin’ny filoha Marc Ravalomanana, ary tsy nisy niafina fa ren’ny miaramila tao amin’ny CASPAT ny resaka nifanaovanay tamin’izany. Tsy manana lonilony amin’iza na iza ny tenako, ary tsy manome tsiny izay mpitondra nifanesy teo koa. Resaka rafitra no tsy niraisana. Raha misy resaka manonhitohina ny tombontsoan’ny vahoaka dia mijoro aho. Ary izaho rehefa mijoro amin’ny hevitro tsy misy mahasakana ahy.
 
T.T: Tsy manenina ihany ve ianao manoloana ny fahavoazan’ny firenena ankehitriny satria anisan’ny tompon’andraikitra voalohany tao ?
R.N : Izay anie no mahatonga ny olana ankehitriny e ! Fiovana no hatao, ary nampanantenaina zavatra betsaka ny olona. Herintaona anefa izao no lasa, fahadisoam-panantenana no betsaka. Ary izay no nahatonga ahy, efa hatramin’ny volana oktobra 2009 nandroso vahaolana izay notsiahivina sy nohatevenina ny fiandohan’ny volana martsa 2010 dia ny fananganana ny CSMME (Conseil supérieur mixte de médiation et d’éthique). Saingy ireny moa no nitranga.
 
T.T: Ianao ve mino fa ny Frantsay no tena manakorontana ny firenentsika sy ny Afrikanina amin’ny ankapobeny. Raha eny, inona no vahaolana, raha tsia, inona ary no tena olana ?
R.N : Ireo firenena avy any ivelany ireo dia mikendry ny zarazarao anjakana. Misy tombontsoan’izy ireo angamba eto, dia mety mifandrombaka izy ireo. Fa anjaran’ny mpitondra no mijery izay tombontsoan’i Madagasikara eo anatrehan’izay, mba tsy ho fahantrana lava no hifandovana eto. Ny olana moa dia rehefa tonga eo amin’ny fitondrana ny olona dia difotra ka dia hadino avokoa ny zava-drehetra.
 
T.T: Hisy dinika hatao atsy Afrika Atsimo amin’ny 28 Aprily, ny hevitrao ?
R.N : Milaza aminao aho fa raha tsy mifanaraka amin’ny hetahetam-bahoaka dia fandaniana andro fotsiny izany.
 
T.T: Raha mahita marimaritra iraisana anefa izy efatra, hijoro hanohitra izany ianao ?
R.N : Olona efatra ve hahasolotena ny Malagasy manontolo hidinika momba ny raharaham-pirenena ? Raha tsy mamaly ny hetahetam-bahoaka izay tapaka any dia ho lany andro fotsiny. Tsy mahavaha ny olan’ny Malagasy io fa mety hamaha ny hetahetan’ireo midinika any fotsiny.
 
T.T: Inona azy izany aminao no zavatra hatao marina hivoahana amin’izao krizy izao sy ny tsy hiverimberenany intsony?
R.N : Herintaona izao isika lany andro eto fotsiny. Herintaona ve isika tsy hahita vahaolana, fa toa roritin’ny tompon’andraikitra fotsiny eto. Isika anefa manana olomanga, manampanahy, manampahazaina, olobe, olom-piangonana. Maninona raha atokisana ireo. Aleo very tsikalakalam-bola. Ndeha hirosoana ny fikaonandoham-pirenena andraisan’ny rehetra anjara. Miara-midinika ny fifamelana sy ny rafitra hanatanteraka izany, ny famolavolana ny lalàmpanorenana mba haharitra fa tsy arafitra ikendrena tombontsoan’ireo maniry hilatsaka hofidiana fotsiny.
 
T.T: Farany, inona no andraikitrao ankehitriny toa hoe notendrena hiasa any Alzeria?
R.N : Feo mandeha tokoa izany fa hoe notendrena any Alzeria, misy aza milaza fa any Italia, fa ny lazaiko eto dia tsy misy an’izany. Eto aho, manohy ny asa amin’ny fampanjariana ny fanatanterahana ny CSMME, ary matoky ny hahatanterahan’izany aho.
 
Nangonin’i Jean D. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT