Politique

Jeneraly Rakotonandrasana Noël : Tadiavin’ny sasany hailika koa ?


  • Zoma 02 Aprily 2010

Mila ho isan’andro vaky izao no andrenesana vaovao momba ny miaramila eto amintsika. Niezaka ny nanazava ny sain’ny olona ny amin’ireny karazana vaovao sy resaka miparitaka etsy sy eroa ireny moa ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny foloalindahy, ary indraindray aza izy ireo dia manome tsiny ny mpanao gazety ho mpampiady sy mpanely tsaho.

Raha ny tena marina anefa dia ny hitsikitsika tsy mandihy foana, fa ao raha ! Misy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny samy miaramila, ary efa tafiditra ao amin’ny foloalindahy ny politika sy ny vola. Izay raha tsorina ny zava-misy. Misy matetika ny fihaonan’ny manamboninahitra, amina toerana maro samihafa, na any anaty lakazerina io, na any amina tranona’olon-kafa. Araka ny tsiliantsofina re dia leo amin’ny fomba fiasan’i Andry Rajoelina sy ny fitarazohan’ny krizy ny ankamaroan’ny miaramila, eny fa na dia ireo niara-niasa taminy aza. Ka misy ny fikarohana vahaolana hafa, rehefa tsy havoakan’i Andry Rajoelina ihany ny baolina. Tato ho ato indray izao, dia mahoraka be mihitsy fa misy trakta mangataka ny fametraham-pialan’ny jeneraly Noel Rakotonandrasana, minisitry ny fiarovam-pirenena any anaty lakazerina any. Ity manamboninahitra ity moa dia ambaran’ireo mpiara-miasa akaiky amin’i Andry Rajoelina fa miray tendro amin’ireo andiana mpanao politika mieritreritra ny hanongana izao tetezamita izao. Efa nanambara anefa ny jeneraly Noel Rakotonandrasana fa tsy mikotrika fanonganam-panjakana ny tenany. Izany rehetra izany no manaporofo fa misy zavatra tsy milamina ary vao miha lasa olana goavana isan’andro eo anivon’ny foloalindahy sy ny fitantanana ny firenena amin’ny ankapobeny. Efa nambara teto ihany fa maro ireo tompon’andraikitra ambony no efa tsy dia mitovy tadin-dokanga firy intsony amin’ny filohan’ny HAT. Misy amin’izy ireo aza no tsy tafiditra an-dapa intsony.

Mahatsapa koa ny miaramila, fa mandeha any amin’ny lalana tsy tokony halehany ny firenena, araka ny resaka nifanaovana tamina manamboninahitra iray, ka rehefa tonga ny fotoana dia tsy maintsy hijoro ho tandroka aron’ny vozona sy manda farany hiarovana ny Repoblika izy. Tsy mbola voamarina aloha hatramin’izao hoe nisy marina ny fanonganam-panjakana noketrehan’ny miaramila. Tsy voalaza koa anefa hoe tsy nisy izany. Fa ny fantatra fotsiny dia efa am-bolana maro izay no misy fivoriana iarahahan’ny manamboninahitra maromaro sy mpanao politika amin’ny toerana maro eto an-drenivohitra, eny fa hatrany amin’ny faritra koa aza. Ny fanazavana ofisialy moa dia ny hoe : tokana ny baiko ary iray tsy mivaky ny foloalindahy. Ho hita eo ny tohiny satria tsy maintsy hipoitra ihany ny marina, ato anatin’izao karazana fisavorovoroan-kilatoana izao.
 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT