Nanamafy ilay tranokala filazam-baovao frantsay «l’Express.fr», araka ny vaovao voaangony fa tena fikasana hanongam-panjakana no antony nanesorana ny jeneraly Rakotonandrasana Noel, minisitry ny foloalindahy teo aloha.
Tahaka izao, ny ampahany tamin’ny lahatsoratra hita tamin’ity tranokala ity raha adika tsotra amin’ny fiteny malagasy : «nesorina tamin’ny toerany ny 7 aprily lasa teo ny jeneraly Noël Rakotonandrasana, nahiahiana ho niketrika fanonganam-panjakana izy, fiampangana izay nolaviny. Nilaza anefa ny manamboninahitra iray fa nisy mihitsy ny eritreritra hanao fanonganam-panjakana miaramila, saingy tsy tanteraka izany satria nisy ny fifanolanana anatiny rehefa fantatra fa nisy sivily namatsy vola ilay tetika… ». Na dia namerimberina ombieny ombieny ny tsy nieritreretany ny hanongam-panjakana aza ny jeneraly Noel Rakotonandrasana, dia maro no mieritreritra fa antony tena efa tsy azo anoharana matoa nanapa-kevitra ny hanala azy tao amin’ny governemanta ny filohan’ny HAT sy ny praiminisitra. Anisan’ireo nahatonga an’i Andry Rajoelina teo amin’ny fitondrana mantsy ity manamboninahitra avy ao amin’ny Capsat Soanierana ity, ka sarotra ihany ny hinoana fa ailika moramora foana izy herintaona aty aoriana, ary ambara fa tsara ny mifampitso-drano rehefa tsy mitoetra intsony ny fifampatokisana. Niarahan’ny rehetra nahita ihany koa fa miroso lalindalina kokoa amin’ny sehatry ny politika ity manamboninahitra ity raha nanangana ilay «Conseil supérieur mixte de la médiation et de l’éthique», izay nohamafisiny ny fisiany sy ny asany nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataony tao an-tranony ny sabotsy 17 aprily teo, ka nilazany fa ivondronan’ny manampahaizana sivily sy miaramila ary mikaroka ny vahaolana ivoahana amin’ny krizy. Misy ny miaramila tsy faly amin’izany satria tsy mbola misotro ronono, fa am-perinasa tanteraka ity manamboninahitra jeneraly ity, ka noho izany tsy tokony hirotsaka be loatra ao anatin’ny politika, na inona na inona mety ho antony fa manaja ilay «droit de réserve». Ny sabotsy lasa teo moa dia mbola nanambara ny jeneraly Noel Rakotonandrasana fa tsy vahaolana ny fihaonan’ny filohan’ny ankolafy efatra any Afrika Atsimo fa tokony ho vahaolan’ny samy Malagasy no karohana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.