Politique

Jeneraly Noel Rakotonandrasana Vonona hitondra ny tetezamita ?


  • Alarobia 27 Oktobra 2010


«Raha manapa-kevitra ny haka ny fahefana ny foloalindahy, dia ekeko an-tsitrapo ny hitondra izany tetezamita entin’ny miaramila izany raha toa ka izay no hahafahana mamoaka an’i Madagasikara amin’ny krizy», hoy ny jeneraly Noel Rakotonandrasana.

Nanamarika ihany koa ity ministry ny foloalindahy taloha teo anivon’ny governemanta FAT ity fa hatreto dia maty momoka avokoa izay paikadin’ireo mpanao politika rehetra. Efa hatramin’izay ny jeneraly Noel Rakotonandrasana no nikendry ny primatiora, teo koa ny fitantanana ny Conseil Supérieur Mixte de la Médiation et de l’Ethique na ny CSME. Ny firosoana amin’ny tena fampihavanam-pirenena, ny fanomezana famafan-keloka ho an’ireo olona voakasika izany ahazoana mikarakara fifidianana ao anaty filaminana ara-politika no hany vahaolana hiantoka  ny ho avy marin-toerana ho an’ny firenena, hoy ihany ny jeneraly Rakotonandrasana.
 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT