Anisan’ireo nametraka ny dian-tanany sy ny dian-drantsany teo amin’ny tontolon’ny haisoratra malagasy ihany koa i Madera na ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Mpanao politika anisan’ny tazana tetsy amin’ny Tahala Rarihasina izy omaly amin’ny maha mpikamban’ny Havatsa Upem azy, tao anatin’ny fankalazana ny herinandro natokana ho an’izany. Ny teny, ny tantara ary ny tany, hoy ny tenany no maha firenena kanefa dia samy lasa tsy manana ny hasiny ireo ankehitriny. Ny teny, vary amin’ny akotry, ny tantara, tsy fantatra, ary ny tany, omena ny vahiny. Betsaka ny raharaha tsy mandeha eto toy ny jirama. Io no iankinan’ny fiainan’olona ary ireo miasa tena no tena mahita faisana aminy. Raha any ampitan-dranomasina no misy tahaka izao dia efa niala avokoa tahaka izay ny minisitra tompon’andraikitra sy ny tale jeneraly.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.