Politique

Jean Omer Beriziky “Tokony hosamborina ny senatera Riana”


  • Sabotsy 13 Mey 2017

Tsy misy intsony ny fitokisan’ny vahoaka ny fitsarana, ny mpitandro filaminana, ny fitondrana amin’ny ankapobeny noho ny resaka kolikoly ka manjary lasa manao ireny fomba tsy mety toy ny fitsaram-bahoaka ireny ny olona.

  Izay zavatra izay no tokony hiadiana amin’ny fomba tena hentitra amin’io kolikoly io, hoy ny praiminisitra teo aloha Jean Omer Beriziky. Momba ny raharaha Razaimamonjy Claudine dia mila atao ny fanadihadiana mba hahafantarana mazava ilay fanodikondinam-bolam-panjakana, ka rehefa hita fa diso dia saziana. Notsipihiny koa ny endrika fitanilana, ka nanaovany fampitahana ny momba ny kolonely Lylison izay nanao tanàna maty kanefa tsy nisy nanaraka, saingy izao iaraha-mahita ny fanenjehana. Ny loholona Riana Andriamandavy kosa nitora-bato sy nitarika fikomiana teny amin’ny Bianco saingy alefa mandositra kanefa tokony hosamborina rehefa nanao hadisoana. Loloholona sady filoha lefitry ny antenimierandoholona mihitsy kanefa manome ohatra tsy manjary amin’ny olona, hoy izy. Mifamahofaho tanteraka ny resaka taratasin’adin’io loholona io satria ny Tonian’ny fampanoavana ambony tamin’ny alalan-dRandrianasolo Jacques, dia nilaza ho efa nandefa izany tany amin’ny zandarimaria mikasika ny fitorian’ny filohan’ny SMM Faniry Ernaivo noho ny fandrahonana ho faty, fanalam-baraka… Eo ihany koa ny fanenjehana momba ny fikomiana sy fitoraham-bato teny amin’ny Bianco. Ny zandarimaria tamin’ny alalan’ny jeneraly Rakotomahanina Florens kosa dia namerina nilaza omaly fa tsy mbola misy ny taratasy fampiantsoana na resaka fisamborana ity loholona ity, izay toa midika fa tsy mahataitra sy tsy maharototra azy ireo. Ny tompon’andraikitra milaza fa tsy nahazo ny taratasy momba ity loholona ity kanefa nahazo dia tokony hosaziana. Toraka izany ihany koa hoe ny tsy nandefa kanefa tokony handefa dia mila saziana, hoy hoy hatrany izy. Rahampitso amin’ny 1 ora dia mbola hivahiny ao amin’ny fandaharana “Vahaolana” ao amin’ny onjam-peo Top Radio 102.8 FM ity praiminisitra teo aloha ity, ka hitondrany ny heviny sy ny vahaolana arosony manoloana ny olan’ny firenena ankehitriny.

Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT