Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora omaly alatsinainy 22 aogositra 2016 hariva ny filoha nasionalin'ny fikambanana HAFARI Malagasy
Rafanomezantsoa Jean Nirina, taorian'ny fakana am-bavany azy tetsy amin'ny Fitsarana Anosy. Vesatra hanenjehana azy amin’ny resaka fisandohana andraikitra na "usurpation de titre" tamin'ny namindrany ireo vahoaka rava trano tetsy Ankadimbahoaka nalefa eny Andavapofotra Namontana no voalaza fa nahatonga ny fampanoavana namoaka ny fanapahan-keviny. Nahazoany fahafahana vonjimaika avokoa kosa ireo fitoriana nanaovana fanadihadiana azy teny anivon'ny polisin'ny boriborintany voalohany sy fahadimy ary ny SUT Tsaralalàna. Raha ny fanazavan-dRafanomezantsoa Jean Nirina moa dia dosie tsy nanaovana fanadihadiana azy teny amin'ny polisy io nampidirana azy am-ponja io. Nilaza anefa izy fa horaisiny am-pitiavana avokoa izay vokatry ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana rehetra.Ny 20 septambra ho avy izao moano fantatra fa ho tanterahana ny fitsarana ny filohan’ny HAFARI Malagasy, izany hoe afaka iray volana.
Ambadika politika ?
Mandeha ihany moa ny resaka momba ity raharaha ity fa mety misy ambadika politika ilay izy; mafimafy ihany mantsy ny fifamaliana teo amin’ny filohan’ny HAFARI sy ny solombavambahoaka Mapar Naivo Raholdina ka manahy ny mpomba ny HAFARI fa sao lahy ka misy tananan’ity solombavambahoaka ity ao ambadik’izao fampidirina am-ponja vonjimaika an’i Jean Nirina Rafanomezantsoa izao.Ankoatr’izay dia tsara fifandraisana tamin’ny praiminisitra teo aloha Jean Ravelonarivo ihany koa ny filohan’ny HAFARI Malagasy, saingy rehefa niova moa ny rafitra tato aoriana dia niha sahirana hatrany ity fikambanana ity.Na ahoana na ahoana anefa ambara dia ny fitsarana irery ihany amin’ny fanadihadiana ataony no hamoaka ny marina rehetra momba ity raharaha ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.