Politique

Jean Michel Henri Vonona amin’ny fifidianana ny Faritra Androy


  • Zoma 22 Jolay 2011

Nandalo tselika tany amin’ny Faritra Androy niaviany ny CT Jean Michel Henri avy amin’ny antoko TGV ka nanamarika fa ny 75%-n'ny fanisam-bahoaka ao amin'ity Faritra ity ankehitriny no efa vita hatramin’ny herinandro lasa teo.

 Voalazany fa ny fanaovan’ireo tompon'andraiki-panjakana maro nidina tany an-toerana nanao angaredona tamin’ny fanentanana sy fanomezan-tanana no anisan’ny hahazoana izao vokatra izao. Napetraka tamin’izany fotoana izany ny “Guichet Unique” ahafahana manome kara-panondrom-pirenena ho an’ireo izay tsy mbola manana izany. Natolotra ny tany an-toerana koa ny fitaovana informatika anjaran’ity Faritra ity hikarakarana ny resaka fifidianana manontolo. Raha eo amin’ny fahavononan’ireo kandidà hifaninana amin’ny fifidianana samihafa hotanterahina tsy ho ela dia nanambara ity CT avy amin’ny antoko TGV ity fa efa vonona hatry ny ela ny kandidà an-dry zareo, toy izany koa ny an’ireo mpifaninana hafa izay samy mihetsiketsika fatratra, araka ny fahitany azy. Efa ny andron’ny fifidianana sisa no andrasan’ny rehetra raha ny fanamarihana nomeny.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT