Tsy zakan’ny vahoaka intsony ny vidim-piainana ankehitriny, hoy i Jean Max Rakotomamonjy filohan’ny antenimierampirenena nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny depiote teny Tsimbazaza omaly.
Miantso ny fitondram-panjakana mba handray fepetra hanalefahana ny fahasahiranam-bahoaka ireo depiote ary efa tena tsindrian-daona hifanatrika amin’ny governemanta. « Tsy zakan’ny vahoaka intsony ny vary 700 ariary ny kapoaka. Ahoana ny momba ny fitsaram-bahoaka, ny tsy fandriampahalemana, ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany tsy ara-dalàna amina faritra maro eto Madagasikara sy ireo raharaha mafana eto amin’ny firenena ? », hoy hatrany ireo depiote teny Tsimbazaza izay nosoloin’ny filohany tena nandritra ny kabary fanokafana. Maro ny zavatra mandringa eto amin’ny firenena ka ilana fanazavana sy vahaolana avy amin’ny fahefana mpanatanteraka. Volavolan-dalàna 4 no fantatra fa hodinihana eny Tsimbazaza mandritra izao fivoriana izao izay haharitra 60 andro. Mbola andrasana kosa ny famoahana ny fandaharam-potoana aorian’ny fivorian’ireo filoham-baomiera tahaka ny efa fanao.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.