Politique

Jean Max Rakotomamonjy sy ny UA Niresaka momba ny zon’olombelona


  • Sabotsy 29 Aprily 2017

Noraisin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy tao amin’ny efitrano fiasany eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny solontena maharitry ny Vondrona Afrikanina (UA),

 izay miasa sy monina eto Madagasikara, dia Rtoa Hawa Ahmed Ioussouf ny alakamisy 27 aprily 2017 tamin’ny 11 ora maraina. Sady fihaonana ara-pomba fifanajana no fotoana nahafahana nifanakalo hevitra momba an’ireo Fifanarahana Iraisam-pirenena mahakasika ny zon’olombelona eran-tany, indrindra fa ny mahakasika ny Vondrona Afrikanina. Noresahina bebe kokoa ny handinihan’ireo solombavambahoaka sy hankatoavany ireo fifanarahana Iraisam-pirenena mahakasika ny zo maha olombelona (Droit Humain) sy ny zon’olombelona amin’ny ankapobeny. Firenena anisan’ny mihemotra amin’ny resaka fanajana ny zon’olombelona rahateo isika Malagasy raha jerena amin’ny resaka fitsaram-bahoaka sy ny tsy fandriampahalemana izay tena tsy voafehin’ny mpitondra Malagasy mihitsy aloha hatreto, ary miteraka laza ratsy ho an’i Madagasikara.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT