Politique

Jean Max Rakotomamonjy Mampidi-kizo ny antenimieram-pirenena


  • Alakamisy 01 Jona 2017

Mahagaga sy mahatalanjona ny fihetsiky ny filohan’ny antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy amin’izao fotoana izao.

  Tena mivaona tanteraka amin’ny lalàm-panorenana mihitsy mantsy ny fomba entiny mitantana ity andrim-panjakana ity, ka zary ataony fitaovana manokana hakana ranondranony amin’ny fitondrana mihitsy ny antenimieram-pirenena. Raha ny volazan’ny lalàm-panorenana dia mpanao lalàna ary mpanara-maso ny asan’ny fahefana mpanatanteraka ny depiote kanefa dia nilaza izy nandritra ny fanamarihana ny faha-3 taona nijoroan’ny antoko HVM ny 29 mey lasa teo hoe ny antenimieram-pirenena dia manohana ny politika ankapoben’ny fitondrana tarihin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Efa zary fananan’ity mpanao politika ity manokana ve izany io andrim-panjakana io sy ireo depiote 151 ao , ka dia azony hampiasaina amin’izay hitiavana azy sy hoentina hitadiavana tombontsoa manokana amin’ny fisolelahana amin’ny HVM ? Toa hampidiriny kizo sy potehina mihitsy ny hasin’ity andrim-panjakana ity ankehitriny ; andrim-panjakana mpanao lalàna sy mpanara-maso ny asan’ny governemanta ny antenimierampirenena fa tsy manohana ny fitondram-panjakana izany, ny vondrona parlemantera ao anatiny no samy manana ny fironana ara-politikany. Tena tsy mahalala ny sata sy ny andraikitry ny andrim-panjakana tantanany ve izy sa minia jamba sy tsy mahita izany mba hikajiana ny tombontsoa manokana ? Milaza ho filoha nasionalin’ny Antoko Leader Fanilo ihany koa izy, ary nananany olana tamin’ireo samy mpikambana ka nampivaky ho roa ity antoko naorin’i Herizo Razafimahaleo ity. Anarany fotsiny anefa ilay hoe filohan’ny antoko raha ny fahitana azy fa dia ny maka ranondranony amin’ny antokon’ny fitondrana no tena manavanana azy, Tsy mba manana foto-kevitra politika hijoroana mihitsy ve fa dia izay misy ny vola sy fahefana ihany no hiankohofana ?


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT