Politique

Jean-Louis Rakotoamboa Samy diso ka tokony hifamela !


  • Alarobia 06 Oktobra 2010

Manoloana ny fizotry ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana dia nanambara i Jean-Louis Rakotoamboa, filoha nasionalin’ny antoko TEZA sady anisan’ireo mpitarika ao amin’ny Ankolafy Ravalomanana, fa tsy vahaolana velively ny fanatanterahana fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny 17 novambra 2010.

Aminy dia vao mainka hanamafy ny sazy ampiharin’ny sehatra iraisam-pirenena ary tsy hampivoaka mihitsy ilay fankatoavana iraisam-pirenena izay tsy maintsy ilaina amin’ny fanohizana ny tetiandro rehetra ao anatin’ny tetezamita, satria mila vola isika. Ny fanjakana rahateo tsy manam-bola. Ho an’i Jean-Louis Rakotoamboa dia samy nanana ny fahadisoany avokoa ny mpitondra nifandimby teto, ka tokony hifampiresaka sy hifamela izy ireo. Aorian’izay dia miroso amin’ny tena adihevitra mba hikarohana ny marimaritra iraisana amin’ny fananganana ny tetezamita iaraha-mitantana. Rehefa avy eo, araka ny fanambaran’ity filohan’ny antoko TEZA ity dia apetraka mazava ny fifampifehezana sy ny lalàna fototra itondrana ny tetezamita ary raiketina amin’izay ny fifidianana. Aminy dia ilaina ihany koa ny fanelanelanana ataon’ny CNOSC raha toa ka tsy afaka mifanaraka mihitsy ny mpanao politika, ary tsy misy maharatsy mihitsy ny fidiran’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny asa fanelanelanana sy fampifanatonana satria hanafaingana ny fahatongavan’ny fanampiana izany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT