Politique

Jean-Louis Rakotoamboa Mpizaika natao hamalifaly no teny Ivato


  • Alakamisy 23 Septambra 2010


Niverina an-kianja ny filoha nasionalin’ny antoko TEZA, Jean-Louis Rakotoamboa, rehefa tsy tazana nandritra ny herinandro vitsivitsy. Nanan-kolazaina mikasika ny fihaonambem-pirenena ny tenany raha nandray fitenenana tao amin’ny Magro omaly. Tamin’izay no nilazany fa izay mahafinaritra an’i Andry Rajoelina ihany no nataon’ireo mpizaika teny Ivato nandritra iny fotoana iny : 35 taona dia afaka milatsaka ho kandida filoham-pirenena, namoahana didim-pitsarana “mamaofady” ary tratry ny sivana tamin’ilay famontsoran-keloka i Marc Ravalomanana. Izany dia noho ny tahotra mafy ity farany satria dia ho voafidy indray Marc Ravalomanana raha milatsaka hofidiana eo. Tsy nahazo antoka tsara tamin’ireo fepetra ireo ka dia hesorina indray ny Ben’ny tanàna, fa mbola mamaka “Ravalomanana”. Vao maika hosahirana kokoa ny vahoaka raha izay no hiziriziriana hatao, hoy i Jean-Louis Rakotoamboa.

I Zafilahy Stanislas kosa tetsy andaniny dia nisintona ny sain’ireo Ben’ny tanàna ka nilaza fa “vao miala inareo ka mieritreritra hilatsaka hofidiana dia soloina PDS. Dia izay tsy mety miala dia handefasana mpanadihady asa-panjakana hitsikera sy hijery na hamorona dosie momba ny fitantananareo. Refa miala ianareo dia mody hoe mbola miandry vola hanaovana fifidianana isika. Ka mba mailo. Raiso ny andraikitrareo fa tsy misy miala eo”, hoy izy.

Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT