Politique

Jean Eric Rakotoarisoa Tsy nety nanolotra soso-kevitra !


  • Zoma 04 Jona 2010

Namaly ny antson’ny CCC na komity fakan-kevitra momba ny lalàmpanorenana i Jean Eric Rakotoarisoa izay manampahaizana momba ny lalàmpanorenana, saingy tsy nanolotra soso-kevitra, tahaka ireo tonga rehetra teny Tsimbazaza.

Ny antony araka ny fanambarany tamin’ny mpanao gazety, omaly dia tsy fotoanan’ny fanolorana volavolan-dalàmpanorenana mihitsy izao, fa mbola fotoana hikarohana hevitra hamahana ny olana fototra nahatonga ny krizy teto amin’ny firenena. Tokony hisy aloha ny fanatanterahana fikaonandoham-pirenena hifampiresahan’ny herivelona rehetra, ary mandritra izany no tokony hamoahana sy hanangonana ireo soso-kevitra rehetra momba ny hitantanana ny firenena sy ny rafitra apetraka eto. Mila ifanarahan’ny rehetra ary eken’ny rehetra, araka ny nambarany ny endriky ny fanjakana sy ny rafitry ny fanjakana, dia izay vao hirosoana ny fandrafetana ny lalampanorenana.

Mbola manjavozabo be ihany mantsy ny zava-misy amin’izao fotoana, araka ny filazan’i Jean Eric Rakotoarisoa, ary araka ny filazany dia tery ny fotoana, sarotra ho an’ny olon-tsotra anefa ny hahafantatra tsara izany lalàmpanorenana izany, izay matetika misy andininy hatrany amin’ny 150. Ary ny tena manahirana, hoy ihany ity filoha lefitry ny oniversiten’Antananarivo ity dia ny mety ho fitrangan’ilay fitsapan-kevi-bahoaka. “ Lalampanorenena roa na telo samihafa ve no aroso ny olona eo hisafidianany ?”, hoy izy mametra-panontaniana. Raha izany anefa ny mitranga dia karazana famitahana ny vahoaka ihany, satria zavatra tsy hainy sy tsy takatry ny sainy no asaina ekeny. Tsy fanerena anefa, hoy izy ny fitsapan-kevi-bahoaka fa tokony hatao an-kalalahana sy ara-pomba demokratika tokoa, izany hoe mahafantatra tsara ny zavatra aroso azy ny mpifidy, ary afaka mandinika tsara izay hofidiany. Izay no antony tsy tokony hikoropahana sy hihazakazahana araka ny teniny, satria famahana ny krizy no atao fa tsy sanatria fampitomboana ny fahorian’ny vahoaka tsy akory. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT