Politique

James Ratsima – Sekretera jeneralin’ny antoko Fihavanantsika Tsy vahaolana amin’ny krizy ny dinika politika eny Ivato


  • Alarobia 11 Aogositra 2010

Fipasohana ny efa malama ary fanarahana ny baikon’ny avy any ivelany fotsiny no nataon’ny mpitondra rehetra nifandimby teto hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena tamin’ny 1960, hoy ny Sekretera jeneralin’ny antoko Fihavanantsika, James Ratsima.

Nambarany fa mila fifohazan-tsaina sy fanahy goavana ny Malagasy raha tena te hametraka ny fanovana marina eto amin’ny firenena. Nambarany moa fa tsy misy ilàna ny mpanao politika mihitsy raha mbola ny ady seza sy ny fitiavana voninahitra no mibahana ao an-tsain’izy ireo. Ho an’i James Ratsima avy ao amin’ny antoko Fihavanantsika, ihany koa dia tsy mbola vahaolana hamaha tanteraka ny krizy mihitsy ny zava-mitraga amin’izao fotoana izao, anisan’izany ny dinika politika eny Ivato. Mbola mamofompofona ny toromarika sy ny baikon’ireo firenen-dehibe avy any ivelany ihany mantsy io dinika io, araka ny nambarany. Ny antoko Fihavanantsika moa dia anisan’ireo mieritreritra fa ny fanandratana avo ny maha Malagasy ihany sy ny tsy fiankinan-doha amin’ny any ivelany ihany no hampandroso an’i Madagasikara. Ho an’izy ireo mantsy, matoa manome toromarika ny avy any ivelany dia ny tombontsoany aloha no mahamaika azy fa tsy ny mahasoa ny Malagasy mihitsy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT