Politique

James Ratsima “Sarin’ady politika no misy eto”


  • Talata 13 Septambra 2016

Nambaran’i James Ratsima araka ny resaka nifanoavana taminy omaly fa sarin’ady avokoa io ataon’ny mpitondra fanjakana sy ny mpanohitra amin’izao fotoana io.

Tokana ihany ny mpampiasa azy ireo dia ny Frantsay izay tena fototry ny olana misy eto amin’ny firenentsika. Tokony handray an-tanana ny hoaviny amin’izay ny Malagasy rehetra, hoy izy. Notsindriany fa tsy afaka manao na inona na inona isika raha tsy mahaleotena. Dradradradraina hatrany ny fampandrosoana nefa ny orinasam-panjakana mijoro eto aza mbola manome vahana ny vahiny hatrany  ary tsy mahazo tombontsoa ny teratany Malagasy. Ilana fanavaozana avokoa ireny rehetra ireny  arahin’ny fitakiana ireo Nosikelintsika izay bodoin’ny Frantsay. Tsy mila vahaolana be intsony izany satria efa antsika fa ny fakana azy sisa no andrasana ? Ho azy manokana moa dia notsindriany fa manam-pinoana ny amin’ny tsy maintsy hahazoan’ny Malagasy ny îles éparses ny tenany taorian’ny ezaka efa nataony ka  ho hita eo ihany ny tohiny.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT