Tsy hitsahatra ny hiteny izahay mandrapanjakan’ny marina, ny rariny ary ny hitsiny eto Madagasikara sy mandrapahazoantsika ny tena fahaleovantena marina, hoy i James Ratsima, filohan’ny fikambanana Asandratro ny Fireneko.
Feno 56 taona ankehitriny ny namitahana ny vahoaka ary feno 120 taona ny naha zanatany antsika saingy tsy mbola misy ihany ny vahaolana. Efa ela no niandrasana ny famonjena mba ho fanafahana ity Nosy malalantsika ity ary efa ela no niandrasana an’Andriamanitra izay tsy andrin’ny hafa nefa andrintsika ihany. Lainga, hosoka ary fitaka no nisy teto hatramin’izay ka tsy maintsy mihetsika isika. Tsy misy fahaleovantena izany eto Madagasikara, hoy hatrany izy nanamafy ny teniny. Miantso ny vahoaka Malagasy mba ho tonga saina, araka izany, ity fikambanana ity ka tsy hanaiky horebireben’ireo saribakolin’ny mpanjanaka intsony.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.