James Ratsima, Sekretera jeneralin’ny antoko Fihavanantsika no vahinin’ny SOKELA anio. Ny heviny mikasika ny fanapahan-kevitry ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tsy ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena hoavy, ny hoavin’ny tetezamita ary ireo dosie mafana amin’izao.
Tia Tanindrazana (TT) : Vaovao lehibe eo amin’ny sehatra politika ny tsy filatsahan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana amin’ny fifidianana. Ahoana ny fahitanao ilay fanapahan-keviny ?
James Ratsima(JR) : Araka ny filazany dia ny fitiavantanin-drazana no nahatonga azy hihemotra mba hampijanona amin’izay ity krizy ity sady ho fanajana ihany koa ny fanapahan-kevitry ny SADC. Ny tsy firotsahan’izy mirahalahy mianaka rahateo no notadiavin’ny SADC sy ny firaisambe iraisam-pirenena. Tsara ilay izy satria mety hampilamina raha toa ka manao tahaka azy koa ny filohan’ny FAT. Raha mandray anjara amin’ny fifidianana mantsy i Andry Rajoelina, izay mpanongam-panjakana, dia tsy tokony hanohitra ny hafa tsy hilatsaka mihitsy izy. Na samy milatsaka na samy tsy milatsaka satria izay ny demokrasia. Efa matetika i Andry Rajoelina no nanambara fa tsy hirotsaka ka ho hita eo raha hitana ny teniny izy na tsia. Ankoatra azy mianaka ireo dia tsy tokony hilatsaka koa ireo nanota rehetra, eny fa na dia ireo hahazo famotsoran-keloka aza. Mila tetezamita vaovao isika handamina ny fifidianana amin’izay satria ireo andrimpanjakana rehetra najoro ireo dia tsy misy mendrika na iray aza. Efa iaraha-mahalala moa ny ataon’ny CENIT.
TT : Tetezamita vaovao hoy ianao. Isika ity efa sahirana lalina dia mbola hitarina indray ve ny tetezamita sady tsy maintsy ny mpanao politika amin’izao ihany anie ho hiditra amin’izany e ?
JR : Tsy voatery ! Mila faritana mazava ny tanjona dia ny hanomana fifidianana madio sy mangarahara. Mino ve ianao fa hisy fifidianana madio izany eto amintsika raha izao zava-misy izao ? Efa nilaza mihitsy aho fa fomba “sauvage” izany hoe fombam-biby io fanaovana propagandy mialoha ny fotoana io.
TT : Niresaka momba an-dRajoelina ianao teo hoe tsy tokony hilatsaka koa izy. Ireny fitokanana ataony etsy sy eroa ireny ve tsy efa midika hoe kandida izy ?
JR : Matoa izy tsy nilaza ny firotsahany teny Antsonjombe dia tahotra ny tao anatiny. Afaka nampiteny hangataka ny firotsahany ireny olona tonga teny ireny fa tsy sahy nanao izy satria mahahotra.
TT : Matahotra inona ?
JR : Matahotra ireo mpiara-dia aminy ireo izy aloha ary efa roa taona aho no nilaza izay. Efa nanao fanambarana ny firotsahany teny izy raha toa ka tsy natahotra.
TT : Sao efa manana kandida hafa kosa ireo firenen-dehibe ambara fa ao ambadik’izy ireo ?
JR : Mino aho fa samy manana ireo ary efa ela no nanomanany izany. Hatramin’izao aloha dia zareo no mandidy sy manapaka ary fomba “mafia” no ampihariny. Amiko anefa, rehefa olona mendrika no filoha eo ka mangarahara ny fitantanana ny harem-pirenena dia hihazakazaka eto ny vahiny, hatramin’ny Sinoa sy Karana.
TT : Inona no mety ho ao ambadiky ny tsy filatsahan’i Marc Ravalomanana ? Mety ho foana ve ny fanenjehan’ny fitsarana azy ?
JR : Izay no mahatonga ahy miteny foana fa ilaina ny fampihavam-pirenena sy fifamelan’ny samy Malagasy. Raha hiresaka tribonaly ianao dia voakolikoly avokoa izy rehetra. Tsy tribonaly no anarany raha mandray fanapahan-kevitra politika. Tahaka izany koa ny ataon’ny miaramila mandray fanapahana izay mampiseho fa tsy tafika Repoblikanina ny foloalindahy fa mpiaro ny mpitondra. Mila olona madio ny firenena fa tsy mpanao adina jiolahimboto intsony.
TT : Manao ahoana ny hoavy politikanao ? Handray anjara sa hanohana olona tahaka ny farany teo ?
JR : Raha hitako fa misy kandida afaka handamina ny raharaham-pirenena izay hiseho eo dia mety hanohana aho. Raha tsy mahita izay olona izay aho dia mety handray anjara koa.
TT : Mahazo vahana ny ady tany tato ho ato, aminao inona no vahaolana ?
JR : Ny vahaolana amiko dia ny fizarana tany maimaimpoana ho an’ny Malagasy ary rariny sy hitsiny izany mba hahazoany mihary fa tsy omenao ny vahiny.
TT : Teny hamaranana ny resadreseka ary ?
JR : Fomba fiteniko ny hoe: “Ny vahiny manjakazaka, ny tompontany ailika”. Ry zareo vahiny indray ve no hanjakazaka eto. Izay no tsy anekeko ity firaisambe iraisam-pirenena mandidididy sy manapaka eto amintsika ity. Tsy hahaleotena mandrakizay isika raha mbola ambany vahohon’ireo. Tsy hanaiky mihitsy koa aho ny fandravaravana ireo rahalahiko Bara any atsimo.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.