Politique

Jacob Zuma sy Joseph Kabila Tsy mety ny hanatrehan-dRajoelina ny fivorian’ny Frantsa-Afrika


  • Zoma 21 Mey 2010


Tsy mbola tokony hanatrika ny fivorian’ny Frantsa-Afrika any Nice ny 31 mey ho avy izao i Madagasikara raha tsy hita ny vahaolana ifanarahan’ny ankolafy rehetra. Izay no hevitry ny filoha Afrikanina Tatsimo Jacob Zuma sy ny filohan’ny Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC) Joseph Kabila. Ireto filoha mirahalahy ireto izany izao no olom-panjakana voalohany nanambara mivantana ny tsy maha mety ny handehanan’i Andry Rajoelina filohan’ny HAT any Nice Frantsa amin’ny faran’ny volana mey ho avy izao. Ary na dia tsy niteny tamin’ny fomba ofisialy aza moa ireo fikambana iraisam-pirenena sy firenen-kafa, eny fa na dia i Frantsa aza, dia mitovy amin’izay ihany ny heviny. Tsy ara-dalàna ary tsy eken’izao tontolo izao ny fitondra tetezamita eto amintsika, izay tarihan’i Andry Rajoelina ; ka izay no tsy haneken’ny rehetra azy hanatrika fivoriana iraisam-pirenena, na inona na inona io, na aiza na aiza hanaovana azy. Araka ny tokony  ho izy rahateo dia tsy mahazo manasonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany fitondrana tetezamita izany ; mety hisy anefa ny fanaovan-tsonia ilay «Accord de coopération» amin’i La Frantsa sy ireo firenena Afrikanina. Tsy nisy rahateo ny fanasana amin’ny fomba ofisialy nalefan’ny fanjakana Frantsay ho an’ny filohan’ny HAT, amin’izao 10 andro mialoha ny fivoriana izao.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT