Politique

Ivato Tsy hisy fiaramanidina afaka miainga ?


  • Alakamisy 18 Novambra 2010


Mahakasika hatrany iny raharaha BANI iny ihany dia fantatra koa izao fa mety hisy akony eo amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato anio ny fandravana fitondrana izay nambaran-dry Jeneraly Rakotonandrasana sy ny tariny. Anisan’ny fepetra horaisin’izy ireo faran’izay haingana, raha araka ny vaovao azo hatrany, ny fanidina ny seranan’Ivato. Tsy misy fiaramanidina afaka ny hiainga eo manomboka anio fa kosa ny mipetraka dia azo atao, raha araka ny tsiliantsofina heno hatrany. Porofo mivaingana izany fa efa manomboka hiverina indray ny krizy eto amintsika mandra-pilamin’ity adilahy politika ity na koa mandra-pirodan’ny fitondrana. Volabe isan’andro mantsy no mihodina eo ary hisy fiantraikany avy hatrany amin’ny lafiny ekonomika izany.

 
r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT