Politique

ITEM Miantso fifidianana mangaraharaha


  • Alakamisy 24 Janoary 2013

Namory ireo olom-pirenena vonona ny hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena amin’ity taona ity ny ITEM na ny “Initiative pour la Transparence des Elections à Madagascar”, ahitana an-dry Paul Rabary.

 Teny amin’ny hotely Panorama Andrainarivo no nanatanterahana izany omaly nahitana ny filohana antoko pôlitika sady efa nitonona ho kandidà toa ny “Vitatsika io”, ny MAMIMI ary solontenan’ireo kandidà 8 hafa… Nivoitra nandritra ny fihaonana ny fanoloran’ny ITEM soson-kevitra mikasika ny amin’ny tokony hampiasana ny logiciel “e-fidy” izay hahazoana ny vokatra ao anatin’ny ora roa monja aorian’ny fifaranan’ny latsa-bato raha ela indrindra, manerana an’i Madagasikara mandritra ny fotoan’ny fifidianana. Malagasy rahateo no namorona ity logiciel ity araka ny fanazavana azo.

Ho an’ny ITEM dia ny fanaovana fifidianana mangaraharaha, tsy misy hala-bato ary mandeha araka ny tokony ho izy no antoka iray hisorohana ny mety hisian’ny disadisa izay mety hiteraka krizy vaovao indray. Anisan’ny hita teny an-toerana ihany koa moa ny KMF CNOE izay efa niantso hatrany ny amin’ny tokony hanatanterahana ny fifidianana mangarahara koa andrasana izay mety ho fampiharana izany.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT