Politique

Itaosy Nidina an-dalambe ny KMFB


  • Alatsinainy 18 Oktobra 2010

Nisafidy ny haneho hevitra am-pilaminana teny an-dalambe ny KMFB Atsimondrano andrefana Itaosy manoloana ny fangejana ny haino amanjerim-panjakana ataon’ny mpitondra ankehitriny.

Ny sabotsy 16 oktobra teo dia olona an’arivony no nitanjozotra nilanja sorabaventy nitety Fokontany maromaro tamin’iny faritra iny. Lalana 20 km teo no vitan’izy ireo tao anatin’ny ora efatra tsy niato, teo anelanelan’ny valo ora maraina ka hatramin’ny mitatao vovonana, io sabotsy io. Nisava lalana ny mpitsoka mozika. Nibaribary tamin’ny sorabaventy netin’izy ireo ny fanakianana izao fitondrana nalaina tamin-kery izao ary koa ny fitsipahana ny fifidianana rehetra karakarainy. Nambaran’ireto KMFB ireto tamin’izay faritra rehetra nolalovany fa “tsy hitondra vahaolana izany fifidianana izany fa vao mainka aza handatsaka ny firenena ao anaty krizy vaovao sy mafimafy kokoa indray. Fifidianana amboletra, maneho ny fitondrana jadona, tsy mamela ny olona haneho ny heviny malalaka, mandany volam-panjakana, kanefa ny vahoaka miha sahirana amin’ny lafiny rehetra, ary indrindra tsy akantoavin’ny firaisambe iraisam-pirenena, izay efa manomboka miala eto an-toerana rahateo”.

Ho an’ireto KMFB Atsimondrano andrefana Itaosy ireto dia ny fampiharana ny satan’i MAPUTO ary mody eto ny filoha roalahy Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana ihany no vahaolana. Nanamafy kosa izy ireo fa tetezamita iaraha-mitantana no lalana, ary mitaky ny hamoahana ny gadra politika rehetra izy ireo sy ny hanaovana ny fampihavanam-pirenena izay tarihin’ny Pr Zafy Albert.
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT