Iray amin’ireo olona miisa 109 nosazian’ny iraisam-pirenena fa nanongam-panjakana i Andry Rajoelina.
Ny 77%-n’ny Malagasy dia miaina anaty fahantrana tanteraka, zary lasa andavanandrom-piainana ny kolikoly sy fandravana harem-pirenena, eo koa ny fanosihosena ny zon’olombelona, ny tsy fandriampahalemana. Ampahany tamin’ny taratasy nisokatra nalefan’ny vondrona Gasy Tia Tanindrazana any Genève ho an’ny fanjakana israelianina izay nandray ny filohan’ny FAT ireo. Raha tsiahivina tokoa, dia nihaona tamin’ny filoha israelianina Shimon Peres i Andry Rajoelina ny 2 janoary lasa teo. Nohazavain’ny GTT Iraisam-pirenena Genève ao anatin’ny taratasy misokatra nataony koa ny momba ny fanosihosena ny demokrasia sy ny fahalalahana misy eto Madagasikara.
Tsy azo ekena, hoy ny GTT Iraisam-pirenena fa midika fankatoavana ankolaka ny fitondrana tsy ara-dalàna iny dia tany israely iny. Ireny no atao hoe : “ompa ho an’ny vahoaka Malagasy” izay efa tena trotraky ny 46 volana nogejain’ny jadona, hoy ihany ny GTT Iraisam-pirenena. Vondrona izay mihevitra fa raha te hanohana an’i Madagasikara i Israely dia tokony hiara-dia amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay manao tsindry amin’ny mpanongam-panjakana hanaiky ny fifanarahana efa natao sy ny tokony hisiana dinika eo amin’ny samy Malagasy. Tokony hajanona ihany koa izay ho fiaraha-miasa hahazoana fitaovam-piadiana izay mety hiteraka zava-doza dia ny adim-poko eto amintsika. Mangataka amin’i Israely koa ny GTT Iraisam-pirenena mba handresy lahatra an’i Andry Rajoelina amin’ny fampiharana ny sori-dalana, ao anatin’izany ny fampodiana tsy misy fepetra ny filoha Ravalomanana, izay voafidim-bahoaka ara-pomba demokratika.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.