Nambarantsika teto omaly fa minisitra vitsy ao amin’ny governemantany no heno fa nanaraka ny praiminisitra Mahafaly Olivier tany an-tanànan’i Nosy-Be Faritr’i DIANA ny faran’ny herinandro teo.
Na tsy voafaritra mazava aza ny tena anton-dian’izy ireo dia azo ambara fa nataon’izy ireo tany ny niala sasatra amin’ny maha fialantsasatra ny andro. Nisy aza nihazo avy hatrany ny tanànan’i Ste Marie Faritra Atsinanana namonjy fahoriana hafa. Mbola andiana minisitra vitsivitsy koa no nasehon’ny fahitalavi-pirenena fa niara-nanatrika ny fanokafana ofisialy ny fanatanjahantena an-tsekoly 2016 tontosaina any Tolagnaro Faritra Anosy mbola tamin’io herinandro lasa teo io ihany. Nisy koa andiana minisitra hafa namonjy ny fetin’ny Volambetohaka Betsileo tany fandriana Faritra Amoron’i Mania. Ampahany ireo afa-tsy ireo Faritra hafa ihany koa nahitana minisitra nitsidika tamin’iny faran’ny herinandro teo iny. Miasa, araka izany, ireto minisitra ao amin’ny governemanta Solonandrasana Olivier ireto a !
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.