Politique

Iraky ny Sadc Hitady vahaolana amin’ny krizy malagasy


  • Alarobia 07 Jolay 2010

Omaly maraina dia nihaona tamin’ireo solontena avy amin’ny ankolafy telo, Ravalomanana, Ratsiraka, ary Zafy tao amin’ny Colbert Antaninarenina ny iraka avy amin’ny vondrona Sadc. Delegasiona mpialoha lalana ny dian’i Joaquim Chissano moa ireto mandalo eto amintsika ireto, nanao karazana tombana ny toe-draharaha politika, toekarena ary sosialy misy eto Madagasikara.

Ho an’ny ankolafy Ravalomanana dia tao anatin’ny delegasiona Fetison Andrianirina, Manandafy Rakotonirina, Hanta Randriamandrato, Mamy Rakotoarivelo, Ravatomanga Roland, ny solombavambahoaka Adrien Vanovason, Rakotoamboa Jean Louis ary Hanitra Razafimanantsoa. Araka ny vaovao, dia nodinihina avokoa ireo sehatra ireo. Ho an’ny FAT dia ny fampiasan-kery no heveriny fa hametrahana ny filaminana ara-tsosialy eto, eo koa ny dinika manavaka ankolafy hafa, ny fifidianana tefy maika, ny tsy fisiana demokrasia, ny fanakatonana haino aman-jery sy famonjana mpanao gazety. Ho an’ny sehatry ny toekarena indray dia fantatra fa 80%-n’ny tetibola dia fanampiana avy any ivelany avokoa kanefa efa tapaka avokoa izany ankehitriny. Ny fampiasam-bola ihany koa tsy misy fa dia ny fanampiana maha olona sisa. Araka ny fanazavana, dia mampanahy ny fisiana famotsiam-bola, toy ireo avy amin’ny hazo sarobidy sy ireo fitrandrahana vato sarobidy madinika, toa ny volamena, ny safira.

Etsy andanin’izany anefa, araka ny fanazavana, dia tsy hita ireo rafitra natao he hanara-maso toa ny Bianco sy ny Samifin. Mampanahy ihany koa ny varomaizina vola vahiny. Momba ny ara-tsosialy kosa dia efa mananontanona an’i Madagasikara ny krizy sosialy goavana. Raha ny vaovao dia voaresaka tamin’ireo iraky ny Sadc avokoa ireo ary dia nomena azy ireo koa ny lisitr’ireo gadra politika rehetra. Tsy ny ankolafy telo ihany no nihaona tamin’ireo iraka fa eo koa ny FAT, ny fiarahamonim-pirenena sy ireo hery velona hafa. Ny tolakandro no nihaonan’izy ireo tamin’ny FFKM. Nanamarika moa ireto iraka fa ny hitadiavana izay ho vahaolana amin’ny krizy eto Madagasikara no tanjona ho azy ireo, amin’ny maha mpikambana an’i Adrien Vanovason eo anivon’ny Sadc. Mino izahay, hoy ireto iraka ireto fa tsy miantsy hiroso amin’ny dinika ny ankolafy Rajoelina na dia efa nilaza aza fa tsy handray anjara. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT