Politique

International Liberal “Ny tenierana ihany no vahaolana”


  • Alakamisy 18 Novambra 2010


«Manameloka ny taritokana ataon’i Andry Rajoelina amin’ny fikarakarana fifidianana tsy mifanaraka amin’ny fenitra demokratika sy ny fifidianana malalaka sy mangarahara ny International Liberal. Manameloka ihany koa ny famerana ny fahalalahana fototra, ny fisamborana tsy ara-dalàna ireo mpitarika politika izay manosihosy ny zo maha olona sy ny demokrasia». Santionany amin’ny fanambaran’ny filohan’ny International Liberal, ingahy IL Hans Van Baalen izany manoloana ny krizy politika misy eto amintsika efa ho roa taona izao. Manohana ny fampiharana ireo fifanarahana politika izay efa nosoniavin’ireo firehana isan-tokony ary dia mangataka ny hisiana hery fampiharana ireo fifanarahana ireo ny International Liberal. Araka izany dia takian’ity fikambanana ity ny fanamorana sy ny fanelanelanan’ny CNOSC sy ny SADC mba hivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy ao anatin’ny tenierana sy handraisan’ny rehetra anjara hiverenan’i Madagasikara ao anatin’ny ara-dalàna ato anatin’ny fotoana fohy. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT