Politique

“International Liberal” Hanery ny fampiharana ny sazy


  • Talata 03 Aogositra 2010


Tafaverina an-tanindrazana rehefa avy nandray anjara tamin’ny fihaonan’ireo antoko liberaly eran-tany nany “International Liberal” natao tao Accra renivohitr’i Ghana ny Sekretera jeneralin’ny antoko MFM, Rakotovazaha Olivier. Mpikambana ao anatin’io ny antoko Demokraty misy an’i Barack Obama. Mpikambana ao koa ny antokon’ny filoha senegaley, Aboulaye Wade. Nandray anjara tamin’io fihaonana io koa ny praiministra kenyana sy ny “Chancelier” lefitra alemana. Araka ny tatitra sy fampitam-baovao nataon-dRakotovazaha Olivier tao amin’ny Magro Behoririka omaly dia anisan’ny noresahina sy niarahan’izy ireo nidinika tao Accra ny raharan’i Burundi, Cote d’Ivoire ary Madagasikara. Nifanaraka ny antoko “Libéral” eran’i Afrika, hoy izy fa hanetsika ny ao an-taniny avy aloha hampahafantatra ny zava-misy marina misy any amin’ireo firenena ireo, indrindra ny eto Madagasikara, ary dia hanery an’izao tontolo izao hampihatra ny sazy izay efa noraisina. Hisy ny hetsika hataon’izy ireo amin’ity herinandro ity, hoy ihany ity Sekretera jeneralin’ny antoko MFM ity.

“Mahazo manantena isika, fa tsy hipetra-potsiny ireo ary tsy hanaiky ny fizirizirian’ny FAT”, hoy ihany izy, iray nanamafy fa “hanetsika an’izao tontolo izao (SADC, UA, UE, ONU) kosa isika mba tsy hijanona ho tohan-kevitra fotsiny ny avoakan’izy ireo”.
 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT