Herintaona mahery izao no nihitsoka tanaty krizy lalina i Madagasikara. Izay tolo-kevitra rehetra toa tsy nanjary avokoa hatreto.
Efa an’alina ireo very asa ary tsy mitsaha-mitombo izany. Tena mitotongana be ny fiharian-karena ary miha lalina ny fahantrana. Araka ny fahitan’ny International Crisis Group na ICG azy dia andraikitry ny mpanao politika izay toa nanao zinona ny fametrahana rafitra marin-toerana sy demokratika, tsy nitsinjo afa-tsy ny tombontsoany ny zava-nitranga tamin’iny taona 2009 iny ka hatramin’izao. Izany no nahatonga ireo krizy politika hatramin’ny taona 1972 ka hatramin’izao 2010 izao. Nahavita nitazona sy nikolokolo hatrany ny tambazotrany ho amin’ny fahefana ireo vondron’olona ireo ka tsy dia nahagaga ny fisehoana krizy vaovao hatrany. Ho an’ny ICG dia ny fisiana lalàmpanorenana vaovao, ny firosoana ho amina fifidianana no hany lalana hivoahan’i Madagasikara amin’izao krizy miverimberina izao. Tolo-kevitra ny an’ny ICG ho an’ireo mpanelanelana vahiny ny amin’ny tokony hanaovana laharam-pahamehana ny hisiana fifanarahana eo amin’ireo ankolafy efatra sy ny fiarahamonim-pirenena mba ahafahana manao izay lalàmpanorenana vaovao izay, fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana ary ny fanaovana fifidianana malalaka, marina ary ny fanazavana bebe kokoa ny momba ny famafan-keloka araka izay tapaka tany Maputo.
Tsy ny FAT irery no tokony hikarakara ny fifidianana, araka ny soso-kevitry ny ICG. Ireo ankolafy efatra dia tokony hanaiky sy hifanaraka fa hokarakaraina sy ho eo ambany fiahian’ny Vondrona Afrikanina sy ny Firenena Mikambana izay fifidianana rehetra hatao. Ny famitana ny raharaha andavanandro no hosahanin’ny FAT ary izay rehetra mihevitra ny handray anjara amin’izay fifidianana amin’ny FAT dia tokony hametra-pialana avy hatrany. Ho fanomezana fahafaham-po ny firehana rehetra no anton’io tolo-kevitra io. Mba hampahomby izany àry dia heverin’ny ICG fa tokony hanendry iraka manokana ny Vondrona Afrikanina sy ny Firenena Mikambana hijery akaiky ny fandrafetana ilay lalàmpanorenana vao sy ny fikarakarana ny fitsapan-kevi-bahoaka sy ny ho fifidianana. Tokony hapetraka ihany koa ny polisy avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay hiandraikitra ny fiarovana ny fizotry ny fifidianana. Adidin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, indrindra ireo mpanelanelana, hoy ny ICG ny mampahafantatra ireo mpifanandrina fa hiharan’ny sazy izay rehetra minia mandika ireo efa nifanarahana. Miantso an’i Frantsa, Etazonia, ny Vondrona eoropeanina sy Afrika Atsimo hanohana ara-bola sy ara-diplomasia io soso-kevitra hivoahana amin’ny krizy eto Madagasikara io ny ICG fa mampitandrina kosa izay mety ho fanohanana hafa ankoatra ireo. Heverin’ity mpanao fanadihadiana ity fa tokony hisy fandaharan’asa hafa mihitsy hanavaozana ny tafika. Anisan’izany ny fanavaozana ny asana miaramila, ny drafitra sosialy mifandraika amin’ny zava-misy.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.