Mbola marobe ny lalŕna tsy ampiharina sy tsy hajain’ny vahoaka ka mahatonga izao zava-misy izao, hoy ny mpahay lalŕna Imbiky Anaclet.
Voalaza mazava ao anaty lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-43 fa tokony hisy lalàna ho an’ny fiarovana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna, hoy izy, ary voalaza eo am-piandohana fa tokony ho ambanin’ny lalàna sy fitsarana mahaleotena ny rehetra. Any amin’ny tany mandroso dia ny fiarahamonim-pirenena, hoy ny fanazavany, no manery ny mpitondra hahatongavana amin’ny fampiharana an’io an-tsakany sy an-davany saingy olana eto amintsika anefa dia tsy ampy firaisankina izy ireo ary zary fialokalofan’ny te hahazo toerana politika aza ny fiarahamonim-pirenena.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.