Politique

Ikalamavony 200 tapitrisa Ariary no hampisara-bazana


  • Sabotsy 27 Aogositra 2016

Lasa resabe any Ikalamavony, ary ahiana ho fototry ny disadisa hampisara-bazana ny fitantanana ilay 200 tapitrisa Ariary isan-taona isaky ny distrika hisahanana asa fampandrosoana araka ny voalazan’ny lalàna 2015-024.

Misy Komity manokana, dia ny Komitin’ny Fampandrosoana ifotony misahana azy io. Mivondrona ao ny olom-boafidy sy solontenam-panjakana ao anatin’ny distrika, ka ny solombavambahoaka no mitarika. Io komity no mamaritra ny asa fampandrosoana hampiasana ilay 200 tapitrisa Ariary. Tsy mety tafajoro mandraka ankehitriny anefa io komity io ho an’i Ikalamavony, noho ny kajikajy isan-karazany ary hampisara-bazana ny samy mpiketrika. Nisy fivoriana tokony ho natao tamin’ny herinandro lasa iny fa tsy raikitra. Ny toeran’ny filoha lefitr’io Komitin’ny Fampandrosoana Ifotony io no mampifandrirotra. An-daniny, Rtoa Ralinjanahary Tsitohaina Valimandresy vadin’i Pety Rakotoniaina, solombavambahoaka voafidy tao Ikalamavony, miketrika fa tokony ho olony no amin’io toerana io. An-kilany ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona Faritany Fianarantsoa, Riana Andriamandavy VII ihany koa efa nanome toromarika ny Ben’ny tanàna fa izy no hatao filoha lefitra. Dia mikatso eo ny raharaha.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT