Politique

Ihosy Nofaranana kimaimaika ny lisi-pifidianana


  • Talata 02 Novambra 2010


Ny 28 oktobra teo no notontosaina ny fampiofanana ireo "Agents électoraux" isam-pokontany tany amin’ny Kaominina Ambonivohitra Ihosy. Iraka voalohany hotanterahin’izy ireo moa ny fanamarinana ny lisi-pifidianana eny anivon’ny Fokontany. Fomba fiasa napetraka hanatanterahana izany ny fitetezan-trano, hanamarinana sao misy olona tsy tafiditra. Avy eo vao entina indray amin’ny vaomiera misahana ny fanitsiana eo anivon’ny Kaominina. Araka ny fanamarihana nomen’ireo tekinisiana miasa ao amin’io vaomiera io dia anio 02 novambra ny famaranana tanteraka ny lisi-pifidianana. Izany hoe, manomboka ny zoma ary ny andro tsy fiasana dia ny sabotsy 30 sy alahady 31 oktobra ary ny alatsinainy 01 novambra ireo "Agents électoraux" ireo no manao izany. Fotoana manao ahoana ary no hanitsiana ny lisitra ? Asa raha misy fomba fiasa raitra angamba. Tsy mbola nisy tahaka ity hatramin’izay nanaovana, hoy ny fitenenana izay. Raha ny olona vitsivitsy tafaresaka taminay dia manahy amin’ny mety ho vokatr’ity fomba fiasa ity. Mampieritraritra ihany. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT