Politique

Iavoloha Tsy ny FAT no hanome lesona ny Ankolafy telo


  • Zoma 06 Aogositra 2010


Ho banga ny toeran’ny ankolafy telo eny Iavoloha anio. Tsy hanatrika ny famoriana filohan’antoko sy mpanao politika ataon’i Andry Rajoelina ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM), hoy ny solombavambahoakan’i Beloha Androy, Longin Fanantera. Na inona mantsy ho tapaka eo, hoy izy, dia fantatra fa tsy hotanterahana izany satria tsy mitana ny teniny ny FAT ka tsy handany andro ho amin’izany ny TIM, ary tsy FAT no hanome lesona ny Ankolafy telo. Ankoatra izay dia nohamafisin’ity olom-boafidy TIM ity fa i Marc Ravalomanana no lehiben’ny TIM ka rehefa tsy mahazo tsodrano avy aminy filoha mpanorina izy ireo dia tsy handray anjara mihitsy. Nohamafisin’ny Dr Julien avy amin’ny ankolafy Zafy Albert sy ny printsy Elakovelo moa izany, fa tsy mankato ny Dinika Santatra ny Ankolafy 3. Filalaovana saim-bahoaka daholo hitazonana ny fahefana izao ataon’ny FAT izao, araka ny fanazavan’izy ireo.

Tetsy andanin’izany dia nisarika ny fiarahamonim-pirenena mba hijery tsara izay sakana amin’ny famoahana an’i Madagasikara amin’ny krizy ny loholona teo aloha Rakotoamboa Jean Louis. Azo iaingana tsara amin’ny adihevitra ny sata sy ny fifanarahana vita sonia tany Maputo sy Addis Abeba. Rehefa hita, hoy izy, izay sakana dia mora ny hamahana ny olana ahafahana mametraka ny tena tetezamita eto amin’ny firenena. Manaraka ho azy avy eo ny fihaonambem-pirenena handinika ny lalàmpanorenana. Nanainga ny vahoaka moa ny tenany mba hanamafy ny hetsika etsy amin’ny kianjan’ny Magro, manomboka izao satria, araka ny fantatra dia hivory ny SADC amin’io herinandro ho avy io. Anisan’ny hodinihana amin’izany ny raharahan’i Madagasikara. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT