Politique

Iavoloha Tratry ny tambabe ilay Ben’ny tanŕna


  • Alakamisy 14 Oktobra 2010


Tranga nanamarika ny andro voalohany amin’ny fihaonamben’ireo Ben’ny tanàna izay tontosaina etsy amin’ny Espace Salohy, Iavoloha, ny savorovoro nateraky ny fahatongavan’i Andriamamonjy Albert, Ben’ny tanànan’i Fiadanana Ambohidratrimo teny an-toerana. Anisan’ireo mpikambana ao amin’ny AMRA (Fikambanan’ny Ben’ny tanàna Faritra Analamanga) tsy mankato ny fanatanterahana ity fihaonambe ity ny tenany ka nigadona teny mba handresy lahatra ireo namany avy any amin’ny faritra tsy handray amin’izany akory. Nijoro teo amin’ny vavahady fidirana ny toeram-pivoriana izy ary nanentana ireo Ben’ny tanàna fa tsy misy antony hanaovana fikaonandoha intsony satria efa mazava ny didy hitsivolana 2010-009 mikasika ny fifidianana Ben’ny tanàna.

Tezitra noho ny fihetsik’ity olomboafidy avy eny Ambohidratrimo ity anefa ireo vahiny avy lavitra ka raikitra ny fifamaliana. Niakatra afo mihitsy ny Ben’ny tanànan’Ambondromisotra sady filohan’ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna Amoron’i Mania, Randriamampionana Adolphe izay nandroaka azy handeha. Raha nahare ny tabataba moa ireo mpivory efa niandry ny fanombohan’ny fivoriana tao anaty efitrano dia nivoaka avokoa ary nampitandrina ilay Ben’ny tanànan’i Fiadanana. Be no ho vitsy moa ka tsy afaka nanao na inona na inona afa tsy ny nitady izay lalan-kalehany ity farany ary nilaza fa izay izany no demokrasia. Omaly, tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany teo ho eo no nisian’ity tranga ity.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT