Izay no vita fa vaky tanteraka ny ady eo amin’ny HVM sy ny MAPAR.
Taorian’ny herisetra sy fidirana an-keriny amin’ny andro alina tao amin’ny tranon’ny depiote Nina teny 67 Ha, dia tratran’ny latsak’alina teny amin’ny foiben’ny Viva Ambodivona koa omaly i Augustin Andriamananoro anisan’ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny vondrona Mapar ary tanan-kavanan’i Andry Rajoelina.Voalaza fa nitarika ny olona hikorontana tany Soamahamanina ity olon’ny Mapar ity ka karohina sy hosamborina.
« Tsy nanakorontana aho, tsy nilahatra aho fa naka sary », hoy i Augustin Andriamananoro halina, araka ny resaka an-telefaonina nifanaovana taminy. Tsy izaho na ny vahoakan’i Soamahamanina no nandrehitra afo ka niteraka fahamaizana tamin’ny ampahany amin’ny ala fa noho ireo baomba lakrimôzenina nalefan’ny zandary. Gaga aho avy eo, hoy hatrany izy rehefa niantso ahy ny jeneraly Florens ary nilaza fa mpanakorontana sy mpanimba zavatra izahay. Zandary mirahalahy avy amin’ny vondron-tobim-paritr’i Miarinarivo no tonga teny Ambodivona misy ny foiben’ny Viva halina nilaza fa mila resaka amin’i Augustin Andriamananoro rehefa avy nahavita fandaharana ka saika hody izy. Nanamafy izany koa moa ny jeneraly Florens Rakotomahaninana rehefa nanontaniana. Nifamahofaho amin’izay ny raharaha taorian’izay satria niverina tao amin’ny birao sy studio an’ny Viva ingahy Augustin Andriamananoro ary tsy nety nivoaka. Niha tonga teny an-toerana ihany koa ireo namana sy olom-pantany na depiote io naolon-tsotra. Tonga tsikelikely ihany koa ny zandary avy eny Ankadilalana izay re fa nahazo baiko hisambotra azy. Misy ambadika politika izao tranga izao, hoy ireo mpiara-dia amin’ny vondrona Mapar nanontaniana halina. Amin-dry zareo dia miendrika fampihorohoroana ilay izy ka manana tanjona hanakana ny mety ho fahatongavan’i Andry Rajoelina eto an-tanindrazana. Tsy azo ekena izany ary tsy hipetra-potsiny izahay, hoy hatrany ireto mpomba ny Mapar ireto. Mbola tao anatin’ny trano misy ny Viva moa Atoa Augustin Andriamananoro tamin’ny fotoana nanoratana ny vaovao tokony ho tamin’ny 1 ora maraina (androany); ho hita eo ny tohiny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.