Politique

Hoy i Zafilahy “Aoka izay ny lainga !”


  • Alarobia 07 Jolay 2010

Olona 9 amin’ny 10 no mimenomenona amin’ny afitsok’izao fitondrana FAT izao, hoy i Zafilahy Stanilas. Tsy voafandrika na koa voapepon’ny lainga afafy etsy sy eroa intsony, na ny vahoaka na ireo iraka iraisam-pirenena mandalo eto amintsika, hoy ihany izy.

Tsy ho voasakan’iza na iza ny fahatongavan’ireo, na ny filoha Chissano, na i Louis Michel satria tsy manaiky ny fikambanana iraisam-pirenena rehetra raha tsy voavaha ny krizy eto Madagasikara. Fantatra ihany koa fa anisan’ireo nasaina hanatrika ny fihaonana any Ouganda hatao ny 11 jolay ho avy izao ny filoha Ravalomanana. Na dia teo aza ny fanaratsiana azy, hoy ity solombavambahoakan’i Vavatenina ity dia mbola miaiky ary manaiky fa mbola filoha Ravalomanana ho an’ny firenena maneran-tany. Tetsy andanin’izany dia nanamafy ny pastera Edouard fa tsy marina ny filazana fa milamina i Toliara. Nisy tokoa, hoy izy ny sorabaventy nitsenan’ny mponina ny delegasiaonina FAT tany an-toerana, nisy koa ny toraka kapa, ary dia nisy ihany koa ny barazy. Efa lany daty ny FAT, hoy ihany ny pastera Edouard satria efa tamin’ny volana jona no fe-potoana farany nomen’ny HCC azy. Manoloana izany indrindra no nanaovany antso avo amin’ireo mpiasam-panjakana, ireo mpitsara, ireo mpitandro ny filaminana mba tsy hanapotika firenena. Fantatra ihany koa, raha ny fanazavany fa misy vondron’olona manao ‘bizinesy’ ny fikarakarana ny fampihavanam-pirenena. Ny profesora Zafy Alber ihany, hoy izy no afaka hanao sy hitarika izany fampihavanana izany. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT