Politique

Houssen Abdallah tao Mahajanga “Izay tsy vonona hifamela heloka no fahavalo”


  • Alatsinainy 02 Aogositra 2010

Fandraisana makotroka no nomanin’ny zanak’i Boeny an’i Houssen Abdallah, ministry ny jono sy ny harena an-dranomasina tamin’ny fitondrana Ratsiraka, tafaverina indray an-tanindrazana rehefa nanao sesitany an-tsitrapo ny tenany nandritra ny valo taona teo izay.

Fiara am-polony maro sy olona an’arivony no nitsena azy hatreny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena, Philibert Tsiranana ao Amborovy Mahajanga, ny tolakandron’ny sabotsy 31 jolay teo. Teny koa ny ankolafy telo notarihin’ny Dr Noël Randrianaivojaona depiote teo aloha.

Nihetsipo tamin’ny fandraisana ny zanany ny tao Mahajanga. Niavaka tamin’izany ny zanak’i Soalala distrika niavian’ity ministra taloha ity. Tsy nahagaga raha nisafidy ny handeha an-tongotra i Houssen Abdalah, nanomboka teo Mahabibo nipaka tao Ambovoalanana, toerana nandraisana azy. Fa nialoha izay dia nitsidika tao amin’ny “Mosquée du Vendredi” ny tenany.
 
Raha nandray fitenenana ny ministra Abdallah dia nanipika fa nisafidy ny hanao sesitany ny tenany. Nambarany tamin’ny teny fohy nataony anefa fa zanak’i Mahajanga ihany no niantso mpampandry tany hisambotra azy. Na izany aza dia nambarany fa «aoka izay ny lasa homba ny lasa. Aoka tsy hanao valifaty fa izay tsy tia fihavanana, tsy vonona hifamela heloka no fahavalo”. Nanamafy izany ny Dr Noel Randrianaivojaona nilaza fa “olon’ny fampihavanam-pirenena i Houssen Abdallah”. Toto Benoît no nisolotena ny raiamandreny tao an-tanàna, nandray azy. Nanao antso izy mba samy hifamela heloka amin’izay, ka hifandray tanana. Naharitra ora enina ny lanonana tao Ambovoalanana io sabotsy io. Nanolotra omby iray ho fandraisana ny zanak’i Mahajanga, omby efatra kosa no natolotr’i Houssen ho fisaorana. Ohadra sy vakodrazana kaomôriana no nanohizana ny fety, izay nitohy omaly tao Labatoara nandraisana azy tamin’ny fomba Sakalava. Nanentana ny fotoana ny depioten’i Mahajanga farany teo, Ihary Kalizy.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

  • Vonison Andrianjato
  • Talata 28 Aprily 2026

«Fifandimbiasana ara-jeografika sy

  • KOHEN RIVOLALA
  • Talata 28 Aprily 2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

  • Maminirina Miharisoa
  • Talata 28 Aprily 2026

na Tonton Mamy

  • olon-dRajoelina
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

"Miezaka mampisara-bazana ny mpitolona"

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

Hijery ny tohiny
FTT