Mpitsara grady voalohany i Houssen Abdallah, ministry ny jono sy ny harena an-dranomasina, nialoha ny nialany an-tanindrazana nanaovany sesitany an-tsitrapo ny tenany tany Frantsa tany nandritra ny valo taona. Araka ny fantatra anefa dia tsy nahazo taratasy fampilazana ny fandroahana azy ho isan’ny mpitsara intsony izy, koa dia faniriany ny hiverina indray ao amin’ny fianakaviamben’ny Fitsarana. Tafaverina an-tanindrazana ary any Mahajanga nanomboka ny sabotsy 31 jolay teo i Houssen Abdallah. Noraisin’ny tao an-toerana tamin’ny fomba niavaka ny fiverenany. Mbola nitohy omaly talata ny fety, nizarana omby dimy, nofon-kena mitam-pihavanana, avy amin’ny Amiraly Ratsiraka hamondronana indray ireo kamarady Arema. Hihazo an’i Soalala, distrika fiaviany ity ministra Arema ity, ny sabotsy ho avy izao. Mikasa ny hijanona any mandritra ny herinandro eo izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.