Politique

Horonantsary momba an-dRavalomanana Hamoaka tsiambaratelo maro


  • Alarobia 15 Martsa 2017

Tsy nipetra-potsiny tao anatin’ny 6 taona tsy naha teto Madagasikara azy i Marc Ravalomanana fa niasa sy nifanerasera tamina olona maro be isan-tsokajiny ary efa niomana amin’ny fiverenany an-tanindrazana fa tsy hoe any dia tsy hita.

  Voarakitra anaty horonantsary fanadihadiana manokana ny 5 taona nijanonany tany Afrika, ireo fivoriana, fifampiraharahana sy ny zavatra rehetra nataony tany ary ny fanomanana ny fodiany taty Madagasikara.  Mpanatontosa sarimihetsika Danois dia i Lotte Mik-Meyer no nanao azy ity ary ny lohateniny dia ny hoe :  « Return of a President- after a coup in Madagascar ». Raha adika tsotra amin’ny fiteny Malagasy dia : Ny fodiana an-tanindrazan’ny filoha taorian’ny fanonganam-panjakana tao Madagasikara. Amin’ny teny Anglisy manontolo aloha amin’izao fotoana izao izy ity ary fantatra fa anisan’ireo voafidy hifaninana amin’ny « Festival international du film documentaire de Copenhague » izay hatao any Danemark ny 16 ka hatramin’ny 26 martsa 2017 izao. Maro ny sary sy resaka ao anatin’ity « Return of a President » ity no tsy mbola nandeha tamin’ny haino aman-jery mihitsy, izany hoe tsy mbola nisy nahita ary mety maro ny zava-baovao ho fantatra ao nandritra ny sesitanin’ny fianakaviana Ravalomanana tany Afrika atsimo sy ny momba ireo fifampiraharahana natao hamahana ny krizy izay notarihan’ny SADC sy ny sehatra iraisam-pirenena. Fantatra fa haparitaka manerana izao tontolo izao ity horonantsary momba ny filoha Ravalomanana Marc ity ary tsy maintsy ho avy eto Madagasikara ihany koa, saingy tsy mbola fantatra ny daty mazava momba izay. Re moa fa ho any Eoropa ato ho ato i Marc Ravalomanana ka inoana fa misy ifandraisany amin’ity horonantsary fanadihadiana ity ny diany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT