Ny lalàna eto amintsika amin’ny ankapobeny dia tsy mahazo raisim-peo ny resaka ifanaovana amin’olona anakiray ary tsy azo avoaka ho fanta-bahoaka raha tsy manaiky izany sy nierana ilay olona.
Voararan’ny andinin-dalàna faha-10 ao anatin’ny làlam-panorenanana izany, hoy ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny androm-panjakana Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia. Ny raharaha Claudine Razaimamonjy nisian’ny horonam-peo izay niparitaka tany anaty tranonkala sy tambajotram-pifandraisana “facebook” no nasiany resaka tamin’izany. Araka ny hevitr’ity minisitra ity, dia manana adidy ny Bianco amin’ny fanadihadiana hoe tena olony tokoa ve no nifampiresaka tamin’I Claudine Razaimamonjy tamin’iny raharaha iny sy namoaka ny resaka nifanaovana. Nilaza moa ity farany fa manana zo hitory I Claudine Razaimamonjy manoloana ny fivoahan’iny resaka iny. Raha heviny dia natao ho fanalam-baraka olona iray ny “facebook” fa tsy natao hanabeazana. Hitsimbadika indray ve izany ny tantara, ka ity resaka fivoahan’ny fifampiresahana tamin’ny alalan’ny finday ity no ho lasa fitaovana hamelezana ny Bianco sy lasa ho toe-javatra lehibe mety hahafoana ny fanenjehana an’I Claudine Razaimamonjy? Mety hatao fitaovana indray ny hoe tsy mahafehy ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana ny Bianco? Anio no hanao valan-dresaka momba ity raharaha ity ny Bianco, ka miandry izay ho tohin’ny tantara ny rehetra. Tsy hay aloha na mba hisy vokany ny resaka ady amin’ny kolikoly na izao zava-misy izao no lasa fitaovana handetehana ity sampan-draharaha ity, ka ny tsy maty manota hatrany nO hanjaka eto.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.