Politique

Hoporetina indray ny vahoaka Hampandoavina 5 000Ar isan’olona


  • Zoma 04 Novambra 2016

Raha tsy hisy ny sampona ka holaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2017 dia ho raikitra fa tsy maintsy handoa hetra 5 000Ar ao anatin’ny iray taona ny olona eo anelanelan’ny 21-60 taona.

 Haba halaina amin’ny olom-pirenena ho an’ny fampandrosoana no entina hanamarinana sy hitakiana izany. Tsy vitan’izay fa mbola hangalana hetra 5 000Ar ihany koa ireo biby toy ny alika mpiandry tanàna sy ny fitazonana fitaovam-piadiana tsotra. Ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ny firenena ary tsy manam-bola ny fanjakana saingy tsy ny vahoaka izay efa milomano ao anaty fahantrana no poretina amin’ny fakana vola isan-karazany kanefa tsy mba misy fiantraikany amin’ny fiainana andavanandrony ireny vola takiana aminy ireny fa toa mankany am-paosin’ny mpitondra. Ny vola hanampiana ny kaominina mba ho fampandrosoana eny ifotony aza ifandroritana ka ny ben’ny tanàna izay mahalala ny fampandrosoana tokony hapetraka amin’ny kaominina tantaniny indray no tadiavina hailika ao anatin’ny Komity Ifotony momba ny fampandrosoana, hitantanana ilay 200 tapitrisa ariary isaky ny distrika.

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT