Politique

Honoré Rakotomanana “Tsy misy manana ny marina tanteraka izany eto !”


  • Alatsinainy 13 Septambra 2010

“Tsy misy afaka milaza fa manana ny marina tanteraka izany, ka dia ny heviny no tsy maintsy eken’ny rehetra”. Izany no anisan’ny fanambarana nataon’Atoa Honoré Rakotomanana, izay manampahaizana momba ny lalŕna, efa filohan’ny HCC ary nandrafitra ny lalŕmpanorenan’ny Repoblika faha-3, ny faran’ny herinandro teo.

Mandalo krizy sy fotoan-tsarotra ny firenena amin’izao fotoana, ka mila fitsaboana haingana”, araka ny nambarany. Tsy tokony havela hihombo anefa io aretina io satria arakaraka ny maha ela ny itoerany no mahasarotra ny fitsaboana sy maha lafo ny fanafody tsy maintsy ampiasaina. Izany sarinteny izany no nanehoan’ity mpahay lalàna ity ny heviny, ka nanamarihany fa ilaina ny fandraisan’anjaran’ireo ankolafy sy herivelona rehetra eto amin’ny tany sy ny fanjakana, amin’ny fihaonambem-pirenena izay hanomboka anio ka haharitra dimy andro. Mandritra izany no hamoahana indray ny hevitra rehetra, araka ny nambarany ihany, na ny nifampidinihana tany Maputo io, na ny nipoitra nandritra ny fihaonambem-paritra, na ireo niseho nandritra ny teny ifampierana, na ny nivoitra farany teo tao anatin’ny dinika santatra. Amin’Atoa Honoré Rakotomanana manokana dia misy zavatra tsara avokoa tamin’ireny karazana fihaonana sy fivoriana ireny ka tokony halaina, ny hita fa tsy mety kosa dia ahitsy na soloina hevitra vaovao mihitsy. Arak’izany dia tsy anisan’ireo manilika be fahatany ny fifanarahana tany Maputo sy Addis Abeba ary Pretoria i Honoré Rakotomanana ary mankasitraka ihany koa ireo fifampiresahan’ny samy Malagasy, na iza na iza nikarakara izany. Ny fampivondronana ny hevitra rehetra nivoaka tamin’ireny aminy, no tena tokony hatao mandritra ny fihaonambem-pirenena, mba tena hisian’ny famoahana ny hevitry ny rehetra marina.

Tena saropady tokoa mantsy ny fehin-kevitra izay hivoaka aorian’izany fihaonambem-pirenena izany, na ny momba ny lalàmpanorenana io na ny momba ny resaka famotsoran-keloka sy ny fampihavanam-pirenena, ka hanahirana ihany ny mety ho tohin’ny raharaham-pirenena, raha toa ka tsy resy lahatra amin’izany ny maro an’isa, na misy ny mahatsapa fa tsy noraharahaina fa natao anjorom-bala fotsiny ny soso-keviny. Ny mety hanahirana kely amin’ity raharaha ity anefa, raha izay fomba fijerin’Atoa Honoré Rakotomanana izay, no raisina dia efa hatry ny ela no nitsipaka ny fifanarahan’ireo filohan’ny Ankolafy efatra natao tany ivelany ny mpomba an’i Andry Rajoelina, izay mieritreritra fa nitondra ny fanovana sy hanavotra an’i Madagasikara ary mieritreritra fa tsy mety amintsika mihitsy izany satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba ary ny satan’i Pretoria izany. Ka moa ve hanaiky ny hampidirana ireo ventin-kevitra tamin’izany, mandritra ny adihevitra ao anatin’ny fihaonambem-pirenena izy ireo, sa hanao be marenina tahaka ny fanaony hatrizay ?

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT