Politique

Honoré Rakotomanana “Tena misy mpitsoa-ponenana tonga eto”


  • Zoma 04 Novambra 2016

Nitsidika tamim-pomba fanajana ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rakotomanana Honoré, tetsy amin’ny Lapan’Anosikely omaly alakamisy, ny fikambanana miahy ireo mpitsoa -ponenana avy amin’ny faritra Atsimon’i Afrika notarihan’ny Filoham-paritra lefitra Veronica Irima Modey –Ebi.

 

Ny votoatin’ ny  fihaonana  dia  ny  mahakasika ireo mpitsoa -ponenana   maneran-tany izay mialokaloka any amin’ny firenena hafa  sy ny zon’ izy ireo.  Nampahafantatra  sy niresaka ny tanjony ny   “Haut Commissariat des Nations Unies  pour les réfugiés” Ramatoa Veronica Irima Modey- Ebi sy ny  tokony hatao momba izany teo am-pandraisam-pitenena ary mitady  fiaraha- miasa amin’ny Governemanta.Manoloana izany dia nanambara ny Filoha Rakotomanana Honoré fa efa maro ny mpitsoa-ponenana  amin’izao fotoana izao , ary avy amin’ny firenena miisa 11 ireo mponina efa tafiditra eto Madagasikara mitsoa-ponenana, ka mila jerena  ny zon’ izy ireo .

Nankasitraka   tanteraka ny fandraisan’ny Filoha  Rakotomanana Honoré

ireo vahiny.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT