Tenin’ny soratra masina sy ohabolan-drazana Malagasy tahaka ny fomba fanaony no nampihaingoan’ny filohan’ny Antenimierandoholona Honoré Rakotomanana ny kabary fanokafana ny fivoriana ara-potoana voalohany amin’ity taona ity teny Anosikely omaly.
Toa niala bala anefa, niala andraikitra mihitsy aza momba ireo raharaha mafampana iandrasana ny hevitry ny birao maharitry ny antenimierandoholona ny filohany. Ny fitsarana irery ihany no manana ny fahefana hanapaka momba ny raharaha mahakasika ny senatera isany Lylison René sy Riana Andriamandavy VII, hoy i Honoré Rakotomanana. Aleonay mangina satria na inona na inona ambaranay dia ho avy foana ny fanakianana, hoy izy. Efa ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana mihitsy anefa no nilaza fa andrasana ny hevitry ny birao maharitry ny Antenimierandoholona momba ny raharaha Lylison. Hangina tsy hiteny momba ny fanohintohinana ny fanadihadiana nataon’ny Bianco niampy fitarihana fivorivoriana tsy nahazoana alalana nataon’ny senatera Riana Andriamandavy VII koa izany ny filohan’ny Antenimierandoholona izay endrika fialana andraikitra tsotra izao. Manaratsy endrika hatrany ny fitondram-panjakana izao zava-misy izao ary ny voasoketa voalohany dia ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Ny olona tsy te hahalala fa izy no mpitarika koa dia azy izany ny fahadisoana rehetra. Mampieritreritra io resaka fialana andraikitra sy fialana bala ataona manampahefana ambony eto amin’ny firenena io ary toa mampiseho fa misy ny paikady any ambadibadika any hanipazana hoditr’akondro ny filoham-pirenena mba hahafahana maka ny toerany rehefa avy eo. Resaka mbola tena manjavozavo hatramin’izao ny raharaha Claudine Razaimamonjy. Iza no namoaka ny dosie ? Iza no nandetika ? Iza no nanampy ary iza no nanavotra ? Tahaka izany koa ny raharaha Lylison, izay am-pelatanan’ny manampahefana sy ny mpanao famotorana tsara ny zavatra nataony sy saika hataony kanefa dia io mangina io ny raharaha. Ny resaka trafikana boaderozy, very an-javony avokoa ary toa efa tantara sisa ny fahatrarana ilay sambo Lumina. Asa raha mba tonga saina amin’izany trangan-javatra maromaro hafahafa izany ny filoham-pirenena na dia efa donton’ny tazom-pahefana ka tsy mahita akory ny olona heverina fa namany kanefa mety handefona ivoho azy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.