Politique

Honoré Rakotomanana Nikarakara manokana ny avy any an-tanŕna


  • Alakamisy 18 Mey 2017

Noraisin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rakotomanana Honoré, tetsy amin’ny birao fiasany tetsy Anosikely omaly alarobia 17 mey maraina ireo solontenan’ny mpitarika ny fikambanana terak’i Behenjy notarihin’Atoa Rabenoro Narciss sy Lalaina Ismael.

« Ny tanora no hoavin’ ny firenena » ary ao anatin’ny vatana salama no misy ny saina matsilo ka rariny ny hanampiana sy hitaizana azy ireo ara-batana sy ara-tsaina ary koa mba hifankatiavan’ny samy tanora ao Behenjy, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona. Nanolotra fanamiana ara-panatanjahantena ho an’ireo tanora ao Behenjy koa ny tenany.

Notolorany fanampiana ara-bola koa ny CEG ao Behenjy hoenti-manana ny fankalazana ny faha-40 taonany izay homarihina amin’ny volana jona ho avy izao.

Faritra manana ny maha izy azy ny kaominina Behenjy, toy ny famokarana  atin-gana matavy izay mampiavaka azy. Mila fanarenana, araka izany, ireo fotodrafitrasa fampandrosoana toy ny fanamboarana ny lalàna izay tafiditra ao anatin’ny fampiasana ny FDL na ny Fond du Développement Local, hoy izy. Tsy maintsy karakaraina tsara ny tanàna niaviana.

 

Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT